FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/10 p. 1
  • Mahaiza Mandresy Lahatra Rehefa Mampianatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahaiza Mandresy Lahatra Rehefa Mampianatra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampiharana Tsara ny Andinin-teny
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Miaro ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mahaiza Mampiasa “ny Sabatry ny Fanahy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ny Fomba Handresen-dahatra ny Hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 4/10 p. 1

Mahaiza Mandresy Lahatra Rehefa Mampianatra

1 Fantatry ny mpitory mahay, toy ny apostoly Paoly, fa tsy ampy ny mamaky andinin-teny mba ‘hanazavana ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’ (2 Tim. 2:15) Mila ‘mandresy lahatra’ koa isika. Ahoana no hanaovana izany rehefa mampianatra?—Asa. 28:23.

2 Vakio mihitsy ilay andinin-teny: Voalohany, asehoy an’ilay olona ilay andinin-teny mba ho tsapany fa mirakitra fahendrena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Hanaraka tsara ny famakiana an’ilay andininy izy, raha hitany fa matoky izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ianao. (Heb. 4:12) Afaka milaza ianao hoe: “Tsara raha fantarintsika ny hevitr’Andriamanitra momba izany. Mariho ange ny teniny e!” Mamakia foana andinin-teny raha mbola azo atao.

3 Faharoa, hazavao ilay andinin-teny. Mazàna no tsy takatry ny olona avy hatrany izay andinin-teny vakina aminy. Ilaina hazavaina hoe inona no ifandraisan’izy io amin’ilay resaka. (Lioka 24:26, 27) Asongadino izay teny manohana ny hevitra resahinao. Afaka mametraka fanontaniana koa ianao, mba hahitana raha azony ilay hevitra na tsia.—Ohab. 20:5; Asa. 8:30.

4 Mahaiza mampisaintsaina: Fahatelo, miezaha handresy lahatra sy hanohina ny fony. Ataovy izay hahatsapany fa mahakasika azy ilay andinin-teny. Mety hiova ny fomba fisainany, raha mampisaintsaina azy amin’ny alalan’ilay andinin-teny ianao. (Asa. 17:2-4; 19:8) Rehefa avy mamaky ny Salamo 83:18, ohatra, ianao dia azonao hazavaina aminy fa ilaina ny mahafantatra ny anaran’ny olona iray, raha tianao ny ho namany. Afaka manontany ianao avy eo hoe: “Tsy hitanao ve hoe ho lasa toy ny namanao mihitsy Andriamanitra, raha mampiasa ny anarany ianao amin’ny vavaka?” Ho hitan’ilay olona fa azo ampiharina ilay andinin-teny rehefa ampifandraisinao amin’ny fiainany. Ho voataona hivavaka amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra velona, ny olona tso-po, raha mahay mandresy lahatra ianao rehefa mampianatra.—Jer. 10:10.

[Fanontaniana]

1. Inona no tokony hataontsika, mba hisy vokany tsara ny andinin-teny vakintsika?

2. Inona no azo atao mba ho tsapan’ny olona fa zava-dehibe izay lazain’ny Baiboly?

3. Inona no tokony hataonao mba ho azon’ny olona ny andinin-teny vakinao?

4. Inona koa no tokony hataontsika, mba handresena lahatra rehefa mampianatra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara