FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/01 p. 1
  • Miomàna Hianatra ny Faminanian’i Isaia!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miomàna Hianatra ny Faminanian’i Isaia!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Handinika ny Boky Fahasambaram-pianakaviana Isika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mpaminany Fahiny Iray Nitondra Hafatra Maoderina
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Aza Mitsahatra Miandry An’i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Mitondra Fahazavana ho An’ny Olombelona ny Mpaminanin’Andriamanitra Iray
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 7/01 p. 1

Miomàna Hianatra ny Faminanian’i Isaia!

1 “Afaka matoky ireo mpanompony mahatoky fa i Jehovah ... dia tsy hamela ny tontolon’i Satana haharitra mihoatra ny indray andro noho izay takin’ny rariny.” Mampahery tokoa izany teny izany! Avy taiza io teny io no nalaina? Avy tao amin’ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I. Mahatonga antsika hanao fanatsoahan-kevitra mankahery toy izany ve ny faminanian’i Isaia? Eny! Mazava tsara ao amin’io boky ao amin’ny Baiboly io ny foto-kevitra momba ny famonjena. (Isaia 25:9) Tena ho fampaherezana lehibe ho antsika àry ny fianarana io tapany amin’ny Tenin’Andriamanitra io, any amin’ny Fianarana Boky. Ho tonga mba hankafy io fianarana io ve isika isan-kerinandro? Nahoana isika no tokony hanatrika?

2 Antsoina hoe ‘Mpampianatra Lehibe’ i Jehovah ao amin’ny Isaia 30:20. Tokony hanongilan-tsofina ny Kristianina tsirairay, satria mampianatra antsika i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny sy ireo boky aman-gazety ara-baiboly, omena amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45; Isaia 48:17, 18) Tena marina izany raha ny amin’ny Faminanian’i Isaia I. Ahoana no andraisanao soa be indrindra amin’ny fianarana azy io?

3 Miomàna handray anjara: Manokàna fotoana ampy tsara isan-kerinandro, hiomanana ho amin’ny fianarana boky. Vakio avokoa ireo fehintsoratra hodinihina. Eritrereto ny fanontaniana tsirairay voasoratra. Mariho ny valiny ao amin’ny bokinao. Natao sora-matevina ireo andininy voasoratra nalaina avy ao amin’ny Isaia. Vakio amim-pitandremana ireny andininy ireny. Ary jereo ny andinin-teny voatonona, mba hahitana izay ifandraisany amin’ilay lahatsoratra. Saintsaino izay ianaranao. Zarao amin’ilay antokon’olona miara-mianatra boky aminao avy eo ny vokatry ny fanomananao.

4 Ilay rahalahy mitarika ny fianarana boky dia tokony hanampy ny mpanatrika rehetra hampiasa tsara ny Baiboly, ka hahatakatra ny hasarobidin’ilay tapany dinihina. Raha voatondro voalohany hanome valin-teny ianao, dia manomeza valiny tsotra sy mivantana. Raha efa nisy nanao izany, dia azonao atao ny mamelabelatra ilay hevitra dinihina. Ho azonao atao angamba ny hampiseho hoe amin’ny ahoana ilay andinin-teny fototra no manohana ilay foto-kevitra. Miezaha mamaly araka ny fomba fiteninao, ary ankafizo ny fahafinaretana mandray anjara amin’ilay fiaraha-midinika.

5 Aoka isika ho dodona hiara-mandinika ny hafatra sarobidy raketin’ny bokin’i Isaia. Izany dia hanampy antsika hiandry ny famonjen’i Jehovah amim-pifaliana isan’andro!—Isaia 30:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara