FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/02 p. 3-4
  • Aoka Ianao “Hanan-karena Amin’ny Asa Tsara”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Ianao “Hanan-karena Amin’ny Asa Tsara”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Torio ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mazotoa Amin’izay Tsara!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • ‘Manomeza Fanazavana Feno Momba ny Vaovao Tsara’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • ‘Manaova Soa Amin’ny Olona Rehetra’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 3/02 p. 3-4

Aoka Ianao “Hanan-karena Amin’ny Asa Tsara”

1 Niara-niasa akaiky tamin’i Timoty sy Titosy ny apostoly Paoly, nandritra ireo taona faramparany nanompoany tamim-pahazotoana. Nitovy ny fampaherezana nosoratany ho azy ireo. Nilaza tamin’i Titosy izy, fa tokony “hotandreman’izay efa mino an’Andriamanitra ny hanao asa tsara.” (Tit. 3:8) Nilaza tamin’i Timoty koa izy, fa tokony “hanan-karena amin’ny asa tsara” izay matoky an’Andriamanitra. (1 Tim. 6:17, 18) Torohevitra tena tsara ho antsika rehetra izany! Inona anefa no hanosika antsika hanao asa tsara eo amin’ny fiainantsika? Inona indrindra no asa ho azontsika atao ato ho ato?

2 Ny finoantsika sy fitiavantsika an’i Jehovah ary ny fanantenana lehibe nomeny antsika no manosika antsika hanankarena amin’ny asa soa. (1 Tim. 6:19; Tit. 2:11) Ampahatsiahivina isika, indrindra amin’ny vanim-potoana toy izao, fa nalefan’i Jehovah tetỳ an-tany i Jesosy Zanany, mba hanamarina ny Rainy. Nanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay ho an’ny olona mendrika rehetra izy. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Tena hisongadina izany amin’ny 28 Martsa, Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Tsy voatosika hanao izay rehetra azo atao ve isika, mba “hanan-karena amin’ny asa tsara”, noho ny fanantenana fiainana mandrakizay? Izany tokoa! Inona àry no asa azontsika atao izao?

3 Asa tsara amin’ny Martsa sy aorian’izay: Azo antoka fa hanatrika ny Fahatsiarovana isika. Io no fotoan-dehibe indrindra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. (Lioka 22:19) Tiantsika hozaraina amin’ny olona faran’izay betsaka anefa io fotoana mahafaly io. Jereo ny tatitra momba ny fanompoana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2002, dia ho hitanao fa avo telo na efatra na dimy heny, na koa mahery, noho ny isan’ny mpitory, ny mpanatrika Fahatsiarovana tamin’ny herintaona, tany amin’ny tany maro. Tsy maintsy niezaka mafy ny rehetra teo anivon’ny fiangonana, rehefa nampiely ny fanasana tamin’ny Fahatsiarovana nanerana ny faritanin’izy ireo. Hitady fotoana faran’izay betsaka àry isika, manomboka izao ka hatramin’ny 28 Martsa, mba hanasana ny olona hanatrika ny Fahatsiarovana, sy hampianarana azy ny fanantenana momba ny famonjena.

4 Amin’ny Aprily koa, dia aoka isika “hanan-karena amin’ny asa tsara”, sy ho dodona hatrany hitory ny vaovao tsara, ka “ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.” (Tit. 2:14; Matio 24:14) Raha tsy afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana ianao tamin’ny Martsa, afaka manao izany ve ianao amin’ny Aprily sy/na Mey? Ary afaka manohy ve ianao raha efa nanao izany tamin’ny Martsa?

5 Misy mpiasa afaka mitory adiny iray eo ho eo rehefa mamonjy ny toeram-piasany, ka mitory eny an-dalana, na miresaka amin’ny mpiasan’ireo fivarotana misokatra vao maraina. Ny hafa kosa mitory mandritra ny fotoan’ny sakafo antoandro. Afaka niara-nianatra Baiboly tamin’ny mpiara-miasa taminy ny sasany nandritra izany fotoana izany. Anabavy maro koa no afaka nandeha nanompo, rehefa tany am-pianarana ny zanany. Nanam-potoana kokoa hitoriana sy hampianarana izy ireo, satria nifoha maraina kokoa tamin’ny andro sasany, mba hanaovana ny raharaha ao an-trano.—Efes. 5:15, 16.

6 Azonao amboarina anefa ny fotoananao mba hampitomboana ny fanompoanao, na dia tsy afaka manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy aza ianao. Afaka manao izay farany azonao atao ianao, “mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome”, ary hiresaka ny fahamarinana amin’ny olona.—1 Tim. 6:18.

7 Asa tsara amin’ny fanaovana mpianatra: Misy olona liana tonga manatrika ny Fahatsiarovana isan-taona. Misy afaka manampy ireo mpanatrika mbola tsy mianatra Baiboly ve eo anivon’ny fiangonana? Azo atao ve ny mitsidika azy ireo, mba hanampiana azy handroso ara-panahy? Angamba nasain’ny havany Vavolombelona ny mpanatrika sasany. Ny hafa indray mety ho olona efa nianatra Baiboly taloha, ka mila fampirisihana fotsiny mba hianatra indray sy hanatrika tsy tapaka ny fivoriana. Tena ho faly isika raha lasa mpanompon’i Jehovah mavitrika toa antsika izy ireo!

8 Mitombo ny fanompoantsika mandritra ny volana Martsa sy aorian’izay, ka azo inoana fa hahita olona liana maro kokoa tokony hotsidihina isika. Mametraha fanontaniana, alohan’ny handaozana ilay olona, ka lazao fa homenao amin’ny fiverenanao manaraka ny valiny. Ho mora kokoa amin’izay ny hanao fiverenana mitsidika. Tsara ny miverina haingana araka izay azo atao. Hiezaka hanomboka fampianarana isika amin’ilay fitsidihana manaraka, raha tsy afaka nanao izany fony nahita ilay olona voalohany.

9 Tokony hiezaka hanombo-dresaka amin’ny olona isika, rehefa mitory eny an-dalana. Mpitory maro no nahazo anarana sy adiresy ary nomeraon’ny telefaonina avy amin’ny olona nitoriany. Raha tsy mipetraka ao amin’ny faritaninao ilay olona, dia makà iray amin’ilay taratasy hoe Tsidiho Aza Fady (S-43), ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Fenoy ilay izy, ka omeo ny mpitan-tsoratry ny fiangonana, mba halefany any amin’izay fiangonana miasa ao amin’ny faritany misy ilay olona. Raha tsy afaka manao izany ilay mpitan-tsoratra, dia halefany hokarakarain’ny biraon’ny sampana ilay izy. Ho voakolokolo ny fahalianana amin’izay.

10 Miaraha miasa amin’ny anti-panahy mba hanampiana ireo tsy mitory intsony: Tena maniry hanampy azy ireny ny anti-panahy. Maro amin’izy ireny no efa miverina manatrika fivoriana indray. Tsapany fa ilaina ny miaraka akaiky amin’ny fandaminan’i Jehovah mba hahazoana ilay fiarovana ara-panahy voalaza ao amin’ny Salamo 91. Vonona ny hitory indray izao ny sasany amin’izy ireny. Raha misy amin’ireo tsy mitory intsony manatrika ny Fahatsiarovana amin’ity volana ity, dia mety haniry hianatra Baiboly manokana izy ireo. Hanao fandaharana ny anti-panahy raha mitranga izany, mba hisy hampianatra ireo mila fanampiana. Tena zava-dehibe ny fiaraha-miasanao raha asaina hanampy amin’izany ianao.—Rom. 15:1, 2.

11 Tohizo ny “asa tsara” ataonao: Hitan’ireo nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy nandritra ny iray volana na mahery, fa nitombo ny fanompoany taorian’izay. Nahita olona liana tokony hotsidihina izy ireo. Nanosika azy ireo hiezaka hanompo bebe kokoa eny amin’ny saha izany, mba hihaonana indray amin’ireo olona liana. Ny sasany nanomboka fampianarana Baiboly, ary nanampy azy ireo hampitombo ny fanompoany izany.

12 Tena nahita fifaliana koa ny sasany tamin’ny fitoriana sy fampianarana, ka nandinika ny fiainany indray. Vokatr’izany, dia nisy lasa mpisava lalana mpanampy mandavantaona, satria nampihena ny asa fivelomany. Ny hafa kosa lasa mpisava lalana maharitra. Manjary mitoky bebe kokoa amin’Andriamanitra izy ireo, fa tsy amin’ny zavatra atolotr’ity tontolo ity. Hitan’izy ireo fa mahazo fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah izy ireo rehefa ‘mazoto manome sy miantra’, ary mihamatanjaka ny fanantenany hahazo “ny tena fiainana.” (1 Tim. 6:18, 19) Mazava ho azy fa ny fiangonana manontolo no mandray soa, rehefa mihabetsaka ny mpisava lalana. Matetika ny mpisava lalana no mitantara ny zavatra hitany sy manasa ny hafa hiaraka aminy amin’ny fanompoana, ka mahatonga ny fiangonana hiroborobo ara-panahy.

13 Enga anie isika rehetra “hanan-karena amin’ny asa tsara” amin’izao fotoan’ny Fahatsiarovana izao sy amin’ny hoavy, ka hampitombo ny fanompoana kristianina ataontsika. Aoka isika hankasitraka an’i Jehovah, satria izy mampanantena antsika fiainana mandrakizay ao amin’ny tany vaovao sy marina.—2 Pet. 3:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara