‘Manaova Soa Amin’ny Olona Rehetra’
1 Ny foto-kevitra hoe ‘Torio ny Tenin’Andriamanitra’ sy ny hoe “Aoka Ianao Hanan-karena Amin’ny Asa Tsara” no nampiasaina tao amin’ny takelaka fanampin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana volana Febroary sy Martsa. (Kol. 1:25; 1 Tim. 6:18) Nampirisihina isika tao amin’izy ireo mba hanampy ireo olona liana hanatrika ny Fahatsiarovana sy hanampy ireo olona tsy mitory intsony mba hiara-miasa amin’ny fiangonana indray. Nampirisihina koa isika hiezaka hanampy ny zanatsika sy ireo mpianatra Baiboly mahafeno fepetra hanomboka hitory ny vaovao tsara. Azo inoana fa nahita fahombiazana isika noho ny ezaka mafy nataontsika. Aoka àry isika izao ‘hanao soa hatrany amin’ny olona rehetra, araka ny ananantsika andro hanaovana.’—Gal. 6:10.
2 Asao hivory indray izy ireo: Olona maherin’ny efatra alina, tsy mpitory ny vaovao tsara, no nanatrika ny Fahatsiarovana teto Madagasikara, tamin’ireo taona faramparany. Liana tamin’ny fahamarinana izy ireny matoa tonga tany. Inona àry no tsy maintsy ataontsika mba hampirisihana ireo maniry hiaina mandrakizay ho tonga ‘mpino’? (Asa. 13:48) Ampirisiho izy ireo hiverina hanatrika ny fivorian’ny fiangonana haingana araka izay azo atao.
3 Nahoana moa raha asaina hanatrika ny Fianarana Boky ny olona liana iray? Handray soa avy amin’ny fiaraha-midinika ny faminanian’i Isaia izy amin’izay. Raha hanao anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ianao atsy ho atsy, dia azonao asaina hanatrika izany izy raha havanao na olom-pantatrao. Ampahafantaro azy hatrany ny lohatenin’ny lahateny ho an’ny besinimaro amin’ireo herinandro ho avy. (Tokony ho ara-potoana foana ny fandaharana eo amin’ny tabilao misy filazana.) Ataovy izay hahatonga azy haniry hanompo an’i Jehovah. Ary mazava ho azy fa afaka manasa azy hianatra Baiboly ianao, raha mbola tsy misy mampianatra azy.
4 Ampaherezo hatrany ireo tsy mitory intsony: Maro tamin’ireo nanatrika ny Fahatsiarovana no efa nanolo-tena ho an’i Jehovah. Lasa tsy nazoto nitory intsony anefa izy ireo. Na izany aza dia nampirisika antsika i Paoly mba “hanao soa . . ., indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Gal. 6:10) Ireo tsy mitory intsony àry no tokony hoheverina voalohany.
5 Mety ho efa niverina nitory indray ny sasany tamin’izy ireo rehefa nampaherezin’ny anti-panahy sy ny olon-kafa hanao izany. Raha tendren’ny anti-panahy hanampy olona toy izany ianao dia fantaro fa hahatonga azy hatoky tena ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny fanompoana eny amin’ny saha. Asehoy azy ny fomba hanatanterahanao ny lafiny samy hafa amin’ny fanompoana. Hahafaly azy ny fanompoana amin’izay, ka hitory hatrany izy ary mety hahazo ny fitahian’i Jehovah.
6 Ampiofano tsara dieny eo am-boalohany ny mpitory vaovao: Te hitory avy hatrany ny vehivavy iray liana tamin’ny fahamarinana, rehefa tsapany fa nahita ny fandaminana marin’Andriamanitra izy. Hoy izy rehefa nahafantatra izay notakina taminy: “Andao àry hanomboka avy hatrany.” Raha nekena ho mpitory ny olona nampianarinao ny Baiboly, dia ampio izy hahita fa mila “manomboka avy hatrany” izy. Ho tsara fiofanana dieny eo am-boalohany izy amin’izay. Ampio izy mba ho zatra manomana ny fanompoana eny amin’ny saha sy handray anjara tsy tapaka amin’izany isan-kerinandro.
7 Raha ny zanakao no lasa mpitory, dia miaraha miasa aminy mba handrosoany arakaraka ny taonany sy ny fahaizany. Ampianao kely fotsiny izy, dia mety ho gaga ianao, satria hahavita hanombo-dresaka amin’olona, hamaky andininy ao amin’ny Baiboly ary hanolotra boky na gazety izy. Ampiofano izy hanao fiverenana mitsidika sy hanolokolo fahalianana rehefa nahita olona liana teny amin’ny fanompoana.
8 Itaro ny fanompoanao: Afaka mampitombo ny fandraisanao anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ve ianao, na dia aorian’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana aza? Azonao ampitomboina adiny iray na roa ve ny fanompoanao isan-kerinandro? Jerenao mialoha eo amin’ny kalandrie ve hoe rahoviana indray ianao no afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy? Sa afaka manitsy ny fomba fiainanao ianao mba hanaovana ny fanompoana manontolo andro? Mety hahatonga olon-kafa hanaiky ny fahamarinana ny ezaka mafy ataontsika amin’ny fanompoana! (Asa. 8:26-39) Aoka isika ‘hiezaka mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namantsika na amin’ny olona rehetra’ eo am-pibanjinantsika ny hoavy.—1 Tes. 5:15.
[Efajoro, pejy 3]
Ampio hatrany ireo:
□✔ Nanatrika ny Fahatsiarovana
□✔ Niverina nitory indray
□✔ Mpitory tsy vita batisa