Mazoto Miandry ny Ondrin’Andriamanitra Ireo Lehilahy ho “Fanomezana”
1 Nanome fanampiana feno fitiavana tokoa i Jehovah, tamin’ny alalan’ny Zanany, dia ireo lehilahy ho “fanomezana”! (Efes. 4:8, 11, 12) Maro ny andraikitr’izy ireo, anisan’izany ny fiandrasana amim-pahazotoana ny ondrin’Andriamanitra. (1 Pet. 5:2, 3) Mandray soa avy amin’io fanampiana tena ilaina io isika rehetra. Tena miahy ny fahasalamana ara-panahin’ny rehetra ireo lehilahy ireo, na ireo voasedra noho ny olana izany, na mpikambana vaovao, na osaosa, na ireo nania.—Fil. 2:4; 1 Tes. 5:12-14.
2 “Fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny ranonoram-baratra” ireo mpiandry lefitra ireo, rehefa misy fanahiana noho ny zava-mitranga mampikorontan-tsaina eto amin’ity tontolo ity. Mamelombelona antsika toy ny “ranovelona ao amin’ny tany karankaina” na “alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana” izy ireo, rehefa trotraka isika na rera-tsaina, ka mahatsiaro ho mila fampiononana.—Isaia 32:2.
3 Mampahery ireo tsy mitory intsony: Manao ezaka manokana ireo anti-panahy, mba hampaherezana ireo tapatapaka na tsy mitory intsony. Ampiany izy ireo mba handray anjara tsy tapaka indray amin’ny fandaharana rehetra ataon’ny fiangonana. Maro no nanjary nanatrika tsy tapaka ny fivorian’ny fiangonana ary nihanatanjaka ara-panahy, ka niverina nitory indray, noho ny fitsidihana feno fitiavana ataon’ny mpiandry. Asehon’izany ezaka mafy ataon’ny anti-panahy izany, fa miahy amim-pitiavana i Jehovah ary mitarika tokoa i Jesosy Kristy. Namela ohatra ny amin’izany fomba iahiana izay ondriny mania na very izany i Jesosy.—Matio 18:12-14; Jaona 10:16, 27-29.
4 Mijery ny fomba hamantarana ireo mihamalemy ara-panahy ny mpiandry lefitra. Tena mety hila fanampiana ara-panahy izay toa kivikivy, lasa tapatapaka amin’ny fivoriana, na kamokamo manao fanompoana. Ireo anti-panahy dia mazoto manampy izay rehetra manomboka manaraka ny fomba fitafin’ity tontolo ity, na mihatia mitsikera ny fiangonana. Tena miahy sy tia ny ondry ireo mpiandraikitra ireo, ka ‘manome ny ainy’ an-tsitrapo, mba hanampiana azy ireo ho tia an’i Jehovah indray.—1 Tes. 2:8.
5 Nisy Kristianina vita fanoloran-tena tsy nifandray tamin’ny fiangonana intsony, ka nanjary tsy narisika tamin’ny asa ara-panahy. Narary mafy angamba izy, na be zava-manahirana ara-bola, na tototry ny faneren’ny fianakaviana. Tsy manakiana azy ireo ny anti-panahy, fa manome toky azy ireo kosa fa miahy ny ondriny rehetra i Jehovah ary hanampy azy ireo hiatrika ny fotoan-tsarotra. (Sal. 55:22; 1 Pet. 5:7) Ny mpiandry mailo dia afaka manampy ireo ondry hahatsapa fa raha ‘manatona an’Andriamanitra izy, dia hanatona azy Andriamanitra’, ka hampahery sy hamelombelona azy.—Jak. 4:8; Sal. 23:3, 4.
6 Mihevitra ireo efa osa ho sarobidy: Miahy ireo izay mety ho hadino koa ny mpiandry lefitra be fitiavana. Misy mpikambana efa osa, na kilemaina, na manana aretina lehibe hafa ao amin’ny fiangonana rehetra. Tsy mahagaga raha tsy dia afaka mitory ilay Fanjakana izy ireo, noho ny manjo azy. Mety ho ireo olona mitsidika azy, na marary hafa, na izay mikarakara azy ihany no mba azony itoriana. Fanampiana sarobidy ho an’ny asa fitoriana manontolo anefa ny asa vitany, na manao ahoana izy io na manao ahoana. (Matio 25:15) Na dia 15 minitra monja aza no vitany, dia tokony hanaovana tatitra, ary mbola isaina ho mpitory tsy tapatapaka ihany izy ireo.
7 Tena tsapan’ireo lehilahy ho “fanomezana” ireo fa mila zavatra ara-panahy ireo rahalahiny amin’izao fotoanan’ny Fahatsiarovana izao. Fotoana mety ho an’ny anti-panahy tokoa izao mba hanaovana ezaka manokana hanampiana izay rehetra nania, ho faly sy hiadan-tsaina indray, noho ilay fifandraisana feno fitiavana eo anivon’ny fiangonana! Faly isika rehefa mahita ireny “mpianakavin’ny finoana” ireny mivory na mandeha manompo, ka manatanjaka ny finoany ny sorom-panavotana.—Gal. 6:10; Lioka 15:4-7; Jaona 10:11, 14.