Aza Mandany Fotoana Amin’ny “Zava-poana”
1 Anisan’ny fitaovana fampitana hafatra be mpitia ny ordinatera ankehitriny. Antsoina hoe E-mail ny hafatra ampitaina amin’ny alalan’izy io. Mety tsy voatery ho ratsy raha mifampitantara zavatra hita na mifampiresaka amin’ny alalan’io fitaovana io ny mpianakavy sy ny mpinamana. Inona avy anefa ny “zava-poana” mety hampitaina amin’ny alalan’ny E-mail raha tsy ferana ny fampiasana azy io?—Ohab. 12:11, Fandikan-teny Katolika.
2 Fampitandremana momba ny E-mail: Misy milaza fa lasa mifandray kokoa amin’ny fandaminan’i Jehovah izy rehefa mahazo fanazavana eritreretiny hoe vaovao, amin’ny alalan’ny E-mail. Mety ho fitantarana zavatra niainana ilay izy, na zava-nitranga tany amin’ny Betela, na tatitra mahakasika loza na fanenjehana, ary mety ho tsiambaratelo nolazaina nandritra ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana mihitsy aza. Ny hafa toa maimay erỳ handefa an’ireny vaovao ireny, satria tiany hoe izy no ho voalohany hitantara ilay izy amin’ny namany.
3 Novana na nitarina indraindray ny vaovao sy ny tantara sasany. Na koa lasa hafa ny fandraisan’ny olona ny vaovao iray, satria ny hanaitra ny saina no tena notadiavin’ny mpitantara sasany. Tsy mahalala ny tena marina rehetra anefa, matetika, ny olona maimay hitantara toy izany. (Ohab. 29:20) Na dia efa hita aza indraindray fa tsy azo inoana ilay vaovao, dia mbola ampitampitaina ihany, satria toa mahaliana ilay izy. Mitovy amin’ny “anganongano ratsy” ireny vaovao tsy marina sy mamitaka ireny, ka mahatonga antsika tsy hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra.—1 Tim. 4:6, 7.
4 Manana andraikitra amin’izay alahelo na korontana mety hitranga ianao, raha mampita vaovao voaporofo fa tsy marina. Nalahelo be i Davida ka “nandriatra ny fitafiany”, satria reny fa maty daholo ny zanany lahy rehetra. Iray ihany anefa ny zanany lahy maty. Efa nampahory an’i Davida izany, nefa vao mainka ory izy nandre ilay vaovao nitarina. (2 Sam. 13:30-33) Azo antoka fa tsy hanao zavatra mety hamitaka na hanakivy ny mpiray finoana amintsika isika.
5 Fitaovana notendren’Andriamanitra: Tadidio fa efa misy fitaovana fampitana hafatra notendren’ilay Raintsika any an-danitra, dia “ny mpanompo mahatoky sy malina.” Io “mpanompo” io no manana andraikitra hamaritra izay fanazavana homena ny mpianakavin’ny finoana, sy “ny fotoana mety” hanomezana ilay izy. Ny fandaminan’Andriamanitra irery ihany no manome izany sakafo ara-panahy izany. Any amin’ny fitaovana fampitana hafatra notendren’Andriamanitra foana àry isika no tokony hitady fanazavana azo itokisana, fa tsy amin’ireo mpampiasa Internet.—Matio 24:45.
6 Adiresy ao amin’ny Internet: Ny www.watchtower.org no adiresintsika ao amin’ny Internet. Io dia efa ampy hanomezana fanazavana ho an’ny besinimaro. Tsy tokony hisy olona, na komity, na fiangonana hamoaka fanazavana momba ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet. Ny sasany nandika izay rehetra tao anatin’ny bokintsika, sady nanoratra manontolo ny andinin-teny sy ny loharanon-kevitra rehetra, ary nandefa izany avy eo. Lahatenin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra mihitsy aza no nalefan’ny hafa, sady nangataka fanomezana ara-bola tamin’izay te hanome izy. Fandikana ny lalàna momba ny zon’ny mpamorona ny fanaovana kopia sy fizarana ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny alalan’ny ordinatera, na natao hangalana tombony izany na tsia. Mety hisy hihevitra fa manampy ny mpiray finoana izany, nefa tsy azo atao ka tokony hajanona.
7 Azo antoka fa ho feno “harena soa sy mahafinaritra” ny saintsika, raha mahay mitsara zavatra isika rehefa mampita hafatra amin’ny ordinatera.—Ohab. 24:4.