Tsarovy Ireo Zokiolona Mahatoky
1 Na dia mpitondratena sy efa 84 taona aza i Ana, dia “tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly.” Ny fahatokiany no nanosika an’i Jehovah hanome azy fitahiana manokana. (Lioka 2:36-38) Rahalahy sy anabavy maro be koa amin’izao fotoana izao no manana toe-tsaina toa an’i Ana, na dia miatrika toe-javatra sarotra aza. Mety ho kivy izy ireny indraindray, rehefa marary na mahatsapa fa voafetra ihany ny mety ho vitany noho ny fahanterana. Andao isika handinika fomba sasany azo ampiharina mba hampaherezana sy hanampiana azy ireny hanana fahazarana ara-panahy tsara hatrany.
2 Fivoriana sy fanompoana: Mora kokoa ho an’ny zokiolona mahatoky maro ny manatrika fivoriana, rehefa misy olon-kafa manampy azy ireo amim-pitiavana mba ho tonga any. Manatanjaka ny ara-panahin’ireny mpanompo mahatoky hatramin’ny ela ireny izany no sady mitondra soa ho an’ny fiangonana. Efa nandray anjara tamin’izany asa tsara izany ve ianao?—Heb. 13:16.
3 Faly sy afa-po ny tena Kristianina rehefa mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana. Mety ho sarotra amin’ny zokiolona sy ny marary anefa izany. Afaka ‘miara-miasa’ aminao eny amin’ny fanompoana ve ireo olona malalantsika ireo? (Rom. 16:3, 9, 21) Angamba ianao afaka manao fiverenana mitsidika na fampianarana Baiboly miaraka aminy. Misy mpianatra Baiboly afaka mianatra any an-tranon’ilay zokiolona ve, raha toa ka tsy afaka mivoaka ny trano izy?
4 Fianarana sy fiarahana: Indraindray dia misy fianakaviana manasa zokiolona na marary iray mba hanatrika ny fianaram-pianakaviany, ka manao ilay fianarana any an-tranon’ireo zokiolona mihitsy aza. Nisy renim-pianakaviana iray nitondra ny zanany kely roa tany amin’ny tranon’ny anabavy be taona iray, mba hianatra ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nahazo fampaherezana tamin’ilay fiarahana daholo izy rehetra. Faly koa ny zokiolona rehefa asaina misakafo na asaina amin’ny fiaraha-mikorana. Raha misy marary tsy azo tsidihina maharitra satria osa loatra, dia afaka miantso azy an-telefaonina angamba ianao. Afaka mandalo vetivety any aminy koa ianao mba hamaky zavatra ho azy, hivavaka miaraka aminy na hitantara zavatra mampahery.—Rom. 1:11, 12.
5 Sarobidy amin’i Jehovah ireo zokiolona mahatoky. (Heb. 6:10, 11) Afaka manahaka an’i Jehovah isika ka haneho fankasitrahana sy hanampy azy ireo hanana fahazarana ara-panahy tsara hatrany.