Asao Hiara-manompo Aminao Izy Ireo
Mpitory any amin’ny fiangonana maro no tsy dia afaka manompo firy satria marary na efa be taona. (2 Kor. 4:16) Maninona raha asaina hiara-mampianatra Baiboly aminao izy ireo? Mety ho azonao entina any an-tranony mihitsy aza ilay mpianatra raha tsy afaka mivoaka ny trano izy. Afaka manao fandaharana koa ianao indraindray mba haka azy hiaraka aminao hitory amin’ny trano vitsivitsy na hanao fiverenana mitsidika iray na roa. Za-draharaha amin’ny fanompoana ny ankamaroan’ny mpitory be taona. Tsy hoe hampahery azy fotsiny àry ianao raha miara-manompo aminy fa ianao mihitsy koa no handray soa. (Rom. 1:12) Tsy vitan’izay fa hamaly soa anao i Jehovah raha miezaka mampiseho fitiavana toy izany ianao.—Ohab. 19:17; 1 Jaona 3:17, 18.