FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/03 p. 8
  • Ny Tenin’Andriamanitra no Fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Tenin’Andriamanitra no Fahamarinana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • “Mahery ny Tenin’​Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • “Mahery ny Tenin’Andriamanitra”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Miaro ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Aza “Miala Amin’ny Fahamarinana Mihitsy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 5/03 p. 8

Ny Tenin’Andriamanitra no Fahamarinana

1 “Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao”, hoy ny mpanao salamo. (Sal. 119:160) Manome valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny ara-tsindrimandry. Manome fampiononana sy fanantenana ho an’ireo manana olana izy. Asehony antsika koa ny fomba ahafahantsika manatona azy. Velom-pankasitrahana noho izany ny vehivavy iray, ka nilaza hoe: “Rehefa mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ianao, dia toy ny hoe nandao toerana iray maizina be sady mahakivy, ary miditra ao amin’ny efitra iray mazava sady mahafinaritra.” Miezaka miresaka ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao, isaky ny afaka manao izany?

2 Manan-kery sady mahasarika ny karazan’olona rehetra: Afaka manohina ny fon’ny olona sy manova ny fiainany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Heb. 4:12) Lasa mpivaro-tena sy mpisotro toaka ary mpidoroka zava-mahadomelina ny tovovavy iray atao hoe Rosa. Hoy izy: “Kivy tanteraka aho indray andro. Nisy mpivady Vavolombelona nilaza tamiko anefa tamin’izay hoe afaka manampy antsika handamina ny olana mahazo antsika ny Baiboly. Nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra aho, ary tena nahaliana ahy ilay izy. Tao anatin’ny iray volana monja, dia nanana ny herin-tsaina nilaiko hanovana sy hanatsarana ny fiainako aho. Tsy mila miankina amin’ny toaka na ny zava-mahadomelina intsony aho izao, satria efa manana tanjona eo amin’ny fiainana. Tena naniry ho naman’i Jehovah koa aho, ka nanapa-kevitra fa hampifanaraka ny fiainako amin’ny fitsipiny. Efa namono tena mihitsy angamba aho, raha tsy nahazo fahendrena avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra.”—Sal. 119:92.

3 Tsy toy ny ankamaroan’ny boky ankehitriny ny Baiboly, fa mahasarika ny olona avy amin’ny ‘firenena, fokom-pirenena, olona, ary samy hafa fiteny rehetra.’ (Apok. 7:9) Tian’Andriamanitra ‘hovonjena ny olona rehetra.’ (1 Tim. 2:4) Tsy tokony hanatsoaka hevitra mihitsy àry isika hoe tsy handray ny vaovao tsara ny olona iray noho ny fiaviany. Resaho amin’ny olona rehetra kosa ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka mampiasà Baiboly isaky ny afaka manao izany ianao.

4 Asongadino ny Soratra Masina: Matetika isika no afaka mampiasa Baiboly eny amin’ny fanompoana. Ampiasao ilay andinin-teny ao amin’ny fomba fanolorana gazety, rehefa mampiseho gazety ianao. Hitan’ny mpitory sasany fa mandaitra ny mamaky andinin-teny iray nomanina tsara, rehefa hampiseho ny zavatra atolotra amin’ny volana. Mamakia andinin-teny iray na mihoatra, isaky ny miverina mitsidika olona iray, mba hanampiana azy tsikelikely handray fahalalana araka ny marina. Asongadino ny andinin-teny fototra, rehefa mampianatra Baiboly. Na dia tsy handeha hanompo aza ianao, dia ataovy mora raisina foana ny Baiboly, mba ho azo ampiasaina raha vao afaka mitory tsy ara-potoana ianao.—2 Tim. 2:15.

5 Afaka manova ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Aoka àry isika hampiasa Baiboly isaky ny afaka manao izany, mba hanampiana ny olona.—1 Tes. 2:13.

[Fanontaniana]

1. Inona avy no fanazavana sarobidy hita ao amin’ny Baiboly?

2. Inona no porofo fa manova ny fiainan’ny olona ny Baiboly?

3. Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hiresaka ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly?

4. Ahoana no azontsika ampiasana ny Baiboly rehefa mitory?

5. Nahoana isika no tokony hiezaka hampiasa Baiboly isaky ny afaka manao izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara