Sekolin’ny Fanompoana 2004
1 Mampiofana olon-tsotra mba hanatanteraka asa tena lehibe i Jehovah. Izao no anisan’ny fomba anaovany izany: Ampiofaniny isan-kerinandro izy ireo, mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana. Mandray anjara feno amin’io sekoly io ve ianao, arakaraka ny toe-javatra misy anao? Hisy fanovana vitsivitsy hihatra manomboka amin’ny Janoary 2004, hanampiana bebe kokoa ny mpianatra mba handray soa feno amin’ilay fandaharana.
2 Hifandimby ny mpanome torohevitra mpanampy: Nankasitrahan’ireo rahalahy manao lahateny fampianarana sy hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, ny fanamarihan’ny mpanome torohevitra mpanampy. Hifandimby isan-taona ho mpanome torohevitra mpanampy ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana, raha maromaro izy ireo no mahafeno fepetra ho amin’izany. Hifampizarana amin’izay ny andraikitra. Handray soa avy amin’ny traikefan’ireo rahalahy mahay mandaha-teny sy mahay mampianatra koa ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, ary tena zava-dehibe izany.
3 Famerenana am-bava: Izao no tokony hatao, raha manatrika fivoriamben’ny faritra ny fiangonanareo amin’ny herinandron’ny famerenana am-bava: Ahemotra herinandro ilay famerenana (sy ny fandaharana hafa miaraka aminy), ary atao amin’ny herinandron’ny fivoriamben’ny faritra kosa ny fandaharana amin’ilay herinandro manaraka. Tsy ilaina kosa ny mampifamadika ny fandaharana manontolo, raha mifanindry amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra ny famerenana am-bava. Tokony hatao ny hira sy ny zavatra tandremana ary ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly ho an’io herinandro io. Hatao amin’io koa, aorian’ny zavatra tandremana, ny lahateny fampianarana ho an’ny herinandro manaraka. Hatao aorian’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly kosa ny Fivoriana Momba ny Fanompoana haharitra antsasak’adiny, ka mety hisy anjara telo maharitra 10 minitra avy, na anjara roa maharitra 15 minitra avy. (Tsy hisy fampandrenesana.) Hisy hira aorian’ilay Fivoriana Momba ny Fanompoana, ary hanao lahateny antsasak’adiny avy eo ny mpiandraikitra ny faritra. Ho toy izao kosa ny Sekolin’ny Fanompoana ny herinandro manaraka: Zavatra tandremana sy hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly araka ny ao amin’ny fandaharana, ary famerenana am-bava.
4 Hararaoty izay fahafahana rehetra handrosoanao eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mampahery ny fiangonana ianao, raha mandray soa amin’ny fampiofanana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny faminanian’ny Baiboly koa ianao, sady manome voninahitra an’ilay niavian’ilay hafatra mahatalanjona tsy maintsy torintsika.—Isaia 32:3, 4; Apok. 9:19.