FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/10 p. 3
  • Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Efa Vonona ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Efa Nanao Safidy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Efa Nanao Safidy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 1/10 p. 3

Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?

Ilay inona? Ilay karatra FMF (fanomezan-dalana momba ny fitsaboana) natao ho an’ny Vavolombelona vita batisa. ‘Tsy fantatrao izay hitranga aminao rahampitso’, ka tokony hanapa-kevitra mialoha ianao hoe inona no karazana fitsaboana ekenao, raha sendra mila fitsaboana maika ianao. (Jak. 4:14; Asa. 15:28, 29) Tokony hofenoinao mifanaraka amin’izany ilay karatra. Jereo àry ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra. Valio ireo fanontaniana etsy ambany avy eo, ary mivavaha alohan’ny hanapahan-kevitra.—Fanamarihana: Ahitana sarina dokotera manao fandidiana ao, ka anjaran’ny ray aman-dreny ny manapa-kevitra raha avelany hijery an’ilay video ny zanany kely na tsia.

1) Inona no tena antony tsy aneken’ny Vavolombelon’i Jehovah hampidiran-dra? 2) Inona no fitsaboana tian’ny Vavolombelona? 3) Inona no zo lehibe indrindra ananan’ny marary? 4) Raha mifidy fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ny olona iray, nahoana izy no tsy azo lazaina hoe tsy mahay mandray andraikitra na tsy mahay misaina? 5) Inona no zavatra roa tsy maintsy ataon’ny dokotera haingana, rehefa misy very ra be? 6) Misy sokajiny efatra ny fitsaboana azo isafidianana, raha tsy te hampidiran-dra. Inona avy izany? 7) Inona no ataon’ny dokotera mba a) hampihenana ny ra very, b) hitehirizana ny liomena na sela mena, d) hanairana ny vatana mba hamokatra ra, ary e) hampiasana indray ny ra very? 8) Hazavao ireo teknika fitsaboana atao hoe: a) fanampohana ny ra sy b) cell-saver. 9) Inona no fanazavana tokony hotadiavinao rehefa hifidy fitsaboana solon’ny fampidiran-dra? 10) Mahavita manao fandidiana lehibe sy sarotra ve ny dokotera, nefa tsy mampiasa ra? 11) Inona no fandrosoana vita eo amin’ny sehatry ny fitsaboana?

Ny tsirairay no manapa-kevitra raha hanaiky ny fitsaboana naseho tao amin’ilay video izy na tsia, arakaraka ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly. Efa nanapa-kevitra ve ianao hoe inona avy no karazana fitsaboana tianao hatao aminao sy ny zanakao? Ary efa nameno karatra FMF ve ianao? Diniho tsara indray ny boky “Fitiavan’Andriamanitra”, toko faha-7 sy ireo loharanon-kevitra voalaza ao. Jereo koa ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2006 hoe “Hanaiky Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototry ny Ra na Fitsaboana Ampiasana ny Rako ve Aho?” Hamarino avy eo raha mifanaraka amin’ny safidinao izay nosoratanao ao amin’ny karatra FMF. Tokony hohazavainao tsara amin’ny solontena nofidinao sy ny havanao tsy Vavolombelona ny fanapahan-kevitra noraisinao.

[Efajoro, pejy 3]

• Efa nanapa-kevitra ve ianao hoe inona avy no karazana fitsaboana tianao hatao aminao sy ny zanakao?

• Misy karatra FMF efa nofenoina ve any aminao, raha sendra misy loza mitranga?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara