FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/04 p. 1
  • Manaova ny Rariny toa An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaova ny Rariny toa An’i Jehovah
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Tahafo i Jehovah — Manaova ny Rariny sy ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Jehovah — Ilay Loharanon’ny Tena Rariny sy Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Jehovah — Tia Fahamarinana sy Rariny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • “Manao ny Rariny Foana Izy”
    Manatòna An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 7/04 p. 1

Manaova ny Rariny toa An’i Jehovah

1 “Jehovah tia rariny.” (Sal. 37:28) Noho izany, na dia efa namoaka didy ny handringanana ity tontolo ratsy ity aza izy, dia mbola mampitandrina ny olona aloha. (Marka 13:10) Afaka mibebaka sy ho voavonjy àry ny olona. (2 Pet. 3:9) Miezaka mafy hanao ny rariny toa an’i Jehovah ve isika? Voatosika hilaza ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana ve isika, rehefa mahita ny fahoriana sy ny fijalian’ny olona? (Ohab. 3:27) Hahatonga antsika hazoto hitory, ny fitiavana ny rariny.

2 Aza manavakavaka rehefa mitory: ‘Manao ny marina’ na ny rariny isika, rehefa mitory ny fikasan’Andriamanitra amin’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. (Mika 6:8) Fironantsika olombelona tsy lavorary anefa ny mitsara olona, arakaraka ny hitantsika etỳ ivelany. Tsy maintsy halavirintsika izany. (Jak. 2:1-4, 9) ‘Sitrapon’i Jehovah Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.’ (1 Tim. 2:4) Afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 4:12) Raha miaiky izany isika, dia tsy hiahotra ny hitory amin’ny olona, na dia amin’ireo tsy nety nihaino antsika tamin’ny lasa aza.

3 Somary natahotra ny anabavy mpiasan’ny magazay iray, rehefa nahita ny paozin’ny lehilahy iray mpividy entana tao aminy. Lava volo sady hafahafa fitafy mantsy ilay rangahy. Nitory taminy momba ny Paradisa nampanantenain’Andriamanitra ihany anefa ilay anabavy, rehefa nisy fahafahana. Nivantambantana ilay rangahy rehefa namaly fa angano izany, ka tsy inoany. Nilaza koa izy fa mpifoka rongony. Tsy kivy anefa ilay anabavy. Indray andro, dia nanontanian’ilay rangahy azy ny heviny momba ny volony lavabe. Namaly azy tamim-panajana ilay anabavy, sady nanazava taminy izay lazain’ny Baiboly. (1 Kor. 11:14) Sady gaga izy no faly ny ampitson’iny, nahita ilay rangahy niharatra tsara, sady fohy volo! Nangataka fampianarana Baiboly izy, ary faly ny rahalahy iray nampianatra azy. Nandroso izy ary tonga tamin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Maro amin’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny no velom-pankasitrahana toa an’io rangahy io, satria tsy nanavakavaka sady niezaka nanampy azy foana ilay olona nitory taminy.

4 Tsy ho ela dia hanaisotra ny tsy fahamarinana eto an-tany i Jehovah. (2 Pet. 3:10, 13) Efa fohy ny fotoana sisa tavela. Koa enga anie isika hanao ny rariny toa an’i Jehovah, ka hanampy ny olona rehetra mba ho voavonjy amin’ny fandringanana an’ity tontolo ratsin’i Satana ity.—1 Jaona 2:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara