Ataovy Loha Laharana Foana ny Fanompoana!
1 Fantatr’i Jesosy fa voafetra ny fotoana ahafahany manao ny asa nanirahan’ny Rainy azy teto an-tany. (Jaona 9:4) Noho izany, dia nataony loha laharana teo amin’ny fiainany ny fanompoana, ary nampiofaniny hanao toy izany koa ny mpianany. (Lioka 4:42-44; 8:1; 10:2-4) Tsy dia zava-dehibe taminy ny zavatra nampiadana. (Matio 8:20) Izany no nahafahany namita ny asa nampanaovin’i Jehovah azy.—Jaona 17:4.
2 Voafetra ny fotoana: Voafetra koa ny fotoana hitoriana ny vaovao tsara “manerana ny tany onenana.” (Matio 24:14) Asehon’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa efa lasa lavitra amin’ny andro farany isika izao. Tsy ho ela, ‘dia hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana, izany hoe ny fandringanana mandrakizay, ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra sy tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.’ (2 Tes. 1:6-9) Ho avy tampoka be izany. (Lioka 21:34, 35; 1 Tes. 5:2, 3) Tokony ho fantatry ny olona ny loza mety hihatra aminy. Andraikitsika ny manampy azy ireo, mba hahazoany sitraka amin’i Jehovah, dieny mbola misy ny fotoana.—Zef. 2:2, 3.
3 Manaova araka izay fara herinao: Ataon’ny mpanompon’Andriamanitra loha laharana ny asa fitoriana, satria miaiky izy fa “kely sisa ny fotoana tavela.” (1 Kor. 7:29-31; Matio 6:33) Naniry handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana ny sasany, ka niala tamin’ny asa nahazoam-bola be, na namela ny zavatra sasany nahafinaritra azy. (Marka 10:29, 30) “Be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” ny hafa, na dia miaritra fitsapana aza. (1 Kor. 15:58) Maro no tsy mivadika, fa mitory ny vaovao tsara efa hatramin’ny am-polony taona maro. (Heb. 10:23) Tena sarobidy amin’i Jehovah ny sorona toy ireny, izay natao mba hanelezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Heb. 6:10.
4 Ao an-tsaintsika foana ny andron’i Jehovah, rehefa mifantoka amin’ny fanompoana azy isika, anisan’izany ny fitoriana. Miaro antsika koa izany, satria lasa tsy variana amin’ny tontolon’i Satana isika, ary tapa-kevitra kokoa ny hanana fitondran-tena masina. (2 Pet. 3:11-14) Afaka mamonjy ny aintsika sy ny ain’ny olona mihaino antsika mihitsy aza isika, rehefa ataontsika loha laharana ny fanompoana.—1 Tim. 4:16.