Afaka Manampy ve Ianao?
1 Mitady fomba hanampiana ny mpanompony mahatoky foana i Jehovah. (2 Tant. 16:9; Isaia 41:10, 13) Nampitaha azy tamin’ny mpiandry ondry be fiahiana i Isaia, rehefa nanoratra hoe: “Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.” (Isaia 40:11) Ireto misy fomba anahafana ny fitiavana sy ny fiahian’i Jehovah.
2 Ampio ireo vaovao: Manampy ireo vaovao isika rehefa manasa azy ireo hiaraka sy hifampahery amintsika. (Ohab. 13:20) Tadidin’ny rahalahy iray ny fomba nanampian’ny hafa azy, fony izy vao nifanerasera tamin’ny fiangonana. Hoy izy: “Nanasa ahy matetika hiara-manao fianaram-pianakaviana taminy ny fianakaviana iray. Rehefa nandroso aho, dia nisy mpivady tanora mpisava lalana, nanasa ahy tsy tapaka hiara-manompo tontolo andro tamin’izy ireo. Nahafinaritra anay foana ny niresaka momba ny fanompoana an’i Jehovah. Tamin’izaho mbola tsy Kristianina dia zatra nivoaka niaraka tamin’ny namako, isaky ny zoma sy asabotsy alina. Tsy nanembona an’izany anefa aho, satria niaraka tamin’ireo rahalahy foana.” Tia sy niahy an’io rahalahy io ny fiangonana, ka nanjary namaka tsara tamin’ny finoana sy tsy voahozongozona izy. Anisan’ny mpianakavin’ny Betela izy izao.—Kol. 2:6, 7.
3 Mifampahereza: Mety hahita fomba anampiana ireo rahalahy miatrika zava-tsarotra isika. Azonao atao ve ny miara-mitory an-telefaonina amin’ny mpitory iray osa ara-batana, na manasa azy hiara-mampianatra Baiboly aminao, na angamba ilay mpianatra mihitsy no entina any an-tranony? Afaka manampy ray na reny manan-janaka kely ve ianao, rehefa miara-manompo ianareo? Hankasitraka izany izy. Azo inoana fa ho faly koa ireo saro-kenatra, raha ampianao manao fiverenana mitsidika, na lafim-panompoana hafa. Hitady fomba hampaherezana ireo rahalahintsika isika raha tia sy miahy azy ireo.—Rom. 14:19.
4 Raha manahaka ny fiahian’i Jehovah ny mpanompony isika, dia hifampahery sy hifankatia ny fiangonana, ary hanome voninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra.—Efes. 4:16.