Fandaharam-potoanan’ny Fianakaviana—Fianaram-pianakaviana
1 Ny fitiavanareo an’i Jehovah no fanomezana tsara indrindra, azonareo ray aman-dreny kristianina zaraina amin’ny zanakareo. Fotoana lehibe azo ampitana izany fitiavana izany ny fianaram-pianakaviana isan-kerinandro, rehefa ‘mipetraka ao an-trano’ ianareo. (Deot. 6:5-7) Afaka manampy ny zanakao mba ho akaiky kokoa anao sy ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao, raha manao fianaram-pianakaviana tsy tapaka. Azonao atao foana izany na Vavolombelon’i Jehovah ianareo mivady, na tsy mitovy finoana, ary na dia mitaiza irery ny zanakao aza ianao.
2 Eo am-piandohana: Ny fahazarana miara-mianatra no tokony hiezahana voalohany. Raha tsy azonao antoka hoe fotoana inona no tsara hanaovana ilay fianarana, nahoana raha iarahana midinika amin’ny mpianakavinao izany? (Ohab. 15:22) Raha mbola kely ny zanakao, dia tsara angamba raha atao fohifohy ilay fianarana, ary atao matetitetika ao anatin’ny herinandro. Jereo izay fandaharam-potoana tena mety amin’ny ankohonanao. Soraty mazava tsara ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny fianakavianao ny fotoana hanaovanareo ilay fianarana, ary aoka ianareo ho tapa-kevitra hanaraka azy io.
3 Inona no tsara hianarana? Misy fianakaviana manomana ilay lesona hodinihina amin’ny Fianarana Boky Ataon’ny Fiangonana, na Ny Tilikambo Fiambenana hianarana amin’ilay herinandro. Misy koa mandinika loha hevitra natao manokana ho an’ny tanora. Hoy ny rahalahy iray manan-janaka mianadahy kely: “Lalaovinay toy ny fampisehoana an-tsehatra ireo tantara ao amin’ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Izany no mahatonga ny fianaranay ho anisan’ny zavatra mahafinaritra ny ankizy indrindra ao anatin’ny herinandro. Miraikitra ao an-tsainy sy azony tsara ireny lesona ireny, ary zava-dehibe lavitra noho ny isan’ny fehintsoratra vitanay izany.”
4 Mianara isan-kerinandro: Tokony hatao tsy tapaka ny fianaram-pianakaviana, ary tokony hahafaly ny rehetra sy tsy ho andriny mihitsy aza. Azo ovana ihany anefa ny andro sy fotoana anaovana azy io, mba hikarakarana zava-mitranga tsy ampoizina. Mila ovana koa angamba ny zavatra ianarana indraindray. Tsy tokony hialana mandritra ny fotoana ela anefa ilay fandaharam-potoana efa raikitra, na dia misy fanovana kely ilaina hatao aza indraindray. Hoy ny ankizivavy iray: ‘Raha tsy maintsy hovana ny fotoam-pianaranay, dia apetak’i Dada ao ambadiky ny varavarana fidirana foana ilay fotoana vaovao, hany ka fantatray rehetra ny fotoana hanaovana azy.’ Mendri-piderana tokoa ny olona miezaka manao fianaram-pianakaviana tsy tapaka toy izany! Manaporofo ny fitiavanao ilay Raintsika any an-danitra sy ny fitiavanao ny zanakao ianao, rehefa mitaiza azy ireo foana “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.”—Efes. 6:4.