FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/05 p. 7
  • Mifampahereza Hatrany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifampahereza Hatrany
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Manaova Soa ary Mizarà Amin’ny Hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mifampahereza Rehefa eny Amin’ny Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Miezaha “Hifanampy Foana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Mampahery ny Miresaka Zavatra Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 9/05 p. 7

Mifampahereza Hatrany

1 Nanao izay rehetra azony natao ny apostoly Paoly, mba hampaherezana ny mpiray finoana taminy. (Asa. 14:19-22) Miahy ireo rahalahintsika tojo zava-tsarotra koa isika, ary te hanampy azy ireo. Milaza ny Baiboly hoe ny rehetra no tokony haneho fiheverana ny hafa, fa tsy ny anti-panahy ihany. (Rom. 15:1, 2) Ireto misy fomba roa hanampy antsika hanaraka ilay torohevitra feno fitiavana hoe: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany.”—1 Tes. 5:11.

2 Fantaro izay ilain’ny hafa: Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Be tokoa ny asa soa vitan[’i Dorkasy] sy ny fiantrany ny mahantra.” (Asa. 9:36, 39) Nahamarika ireo sahirana izy, ary nanampy azy ireo araka izay azony natao. Tena fakan-tahaka tokoa izy! Mety ho hitanao fa mila fanampiana ny mpitory be taona iray, rehefa manompo. Na mety hisy mpisava lalana tsy mana-namana amin’ny andavanandro, mba hiara-manompo aminy ny tolakandro. Alao sary an-tsaina ny fampaherezana ho azon’izy ireo, raha nahafantatra izay nilainy ianao ary nanampy azy.

3 Manaova resaka manatanjaka finoana: Mety hampahery ny hafa koa ny resaka ataontsika. (Efes. 4:29) Hoy ny anti-panahy za-draharaha iray: “Zavatra manatanjaka finoana resahina raha te hampahery ianao. Mba hanombohan-dresaka, dia azonao atao ny manontany tsotra hoe: ‘Ahoana no fomba nahitanao ny fahamarinana?’ ” Anehoy fiahiana ny tanora eo anivon’ny fiangonana, ary koa ireo kivy sy saro-kenatra. (Ohab. 12:25) Mitandrema sao variana miresaka momba ny fialam-bolin’ity tontolo ity, ka tsy hanam-potoana hiresahana zavatra manatanjaka finoana amin’ny Kristianina namantsika.—Rom. 1:11, 12.

4 Inona àry no azonao resahina mba hampaherezana ny hafa? Nisy toro lalana nahatonga anao hankasitraka sy ho tia bebe kokoa an’i Jehovah ve, rehefa namaky Baiboly sy nianatra samirery ianao? Nisy hevitra nampahery anao ve tamin’ny lahateny na Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana? Sa nisy zava-nitranga manatanjaka finoana nanohina ny fonao? Hahita zavatra mampahery hotantaraina amin’ny hafa foana ianao, raha raketinao ao am-ponao ireny hevitra sarobidy ireny.—Ohab. 2:1; Lioka 6:45.

5 Enga anie isika hifampahery hatrany, ka hanampy ny hafa sy hampiasa tsara ny lelantsika.—Ohab. 12:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara