FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/05 p. 1
  • Manaova Soa ary Mizarà Amin’ny Hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaova Soa ary Mizarà Amin’ny Hafa
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Mifampahereza Hatrany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • ‘Aoka Ianareo Halala-tanana sy ho Vonona ny Hizara’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Ampionòny ny Olona Ory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Miezaha ‘Hampionona An’ireo Ory’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 4/05 p. 1

Manaova Soa ary Mizarà Amin’ny Hafa

1 ‘Be tokoa ny asa soa vitan’i Dorkasy sy ny fiantrany ny mahantra.’ (Asa. 9:36, 39) Nalala-tanana izy, ka tian’ny olona nahafantatra azy sy tian’i Jehovah Andriamanitra. Hoy ny Hebreo 13:16: “Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” Ahoana no hanaovantsika soa sy hizarantsika zavatra amin’ny hafa ankehitriny?

2 Manao soa amin’ny hafa, ohatra, isika rehefa mizara ny ‘fananantsika.’ (Ohab. 3:9) Ahafahana manorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary biraon’ny sampana any amin’ny faritra maro ny vola omentsika ho an’ny asa maneran-tany. Nalala-tanana isika, ka olona an-tapitrisany no afaka mianatra momba an’i Jehovah sy mifampahery amin’ny mpiray finoana.

3 Mizarà fampiononana: Rehefa misy loza mitranga, dia vonona “hanao soa” amin’ny mpiray finoana sy ny olon-kafa ny vahoakan’i Jehovah. (Gal. 6:10) Nipoaka, ohatra, ny orinasa iray mpanao zezika tany Frantsa. Hoy ny mpivady iray nipetraka teo akaikin’io orinasa io: “Tonga nanampy anay avy hatrany ny rahalahinay kristianina. Nanadio ny tranonay sy ny tranon’olon-kafa koa izy ireo. Tena gaga ny mpiara-monina taminay satria maro be ny olona tonga nanampy.” Hoy ny anabavy iray: “Nidodododo nampahery anay ireo anti-panahy. Raha ny marina, dia izany aza no nilainay kokoa noho ny fanampiana hafa.”

4 Betsaka ny soa azontsika atao amin’ny mpiara-belona amintsika, fa ny tsara indrindra dia ny mizara aminy ny fahamarinana, izay tena sarobidy. Anisan’izany ny “fiainana mandrakizay” nampanantenain’i Jehovah. (Tit. 1:1, 2) Tena mampionona an’ireo ory noho ny fahotany sy ny toe-piainana eran-tany ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly. (Matio 5:4) Enga anie àry isika hanao soa sy hizara amin’ny hafa, raha mbola azon’ny tanantsika atao ihany.—Ohab. 3:27.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara