FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/05 p. 4
  • Inona no Vokatry ny Fanompoantsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Vokatry ny Fanompoantsika?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Aoka isika ho be zavatra hatao foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Aoka isika hanohy hitory ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Torio Amim-pahadodonana ny Vaovao TsaraTorio Amim-pahadodonana ny Vaovao Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 11/05 p. 4

Inona no Vokatry ny Fanompoantsika?

1 Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa toy ny eo amin’ny filaharan’ny mpandresy ny Kristianina, satria mahomby ny fanompoany an’i Jehovah. (2 Kor. 2:14-16) Toy ny manolotra emboka manitra mampifaly an’i Jehovah isika, rehefa manampy ny olona hahalala azy. Voasariky ny hatsaran’ny vaovao tsara ny olona sasany, fa mandà izany kosa ny hafa. Ny fandavan’ny ankamaroan’ny olona anefa tsy midika hoe tsy mahomby ny asantsika. Diniho ange ny vokatry ny fanompoantsika e!

2 Midera an’i Jehovah: Milaza i Satana fa manompo an’i Jehovah noho ny fitiavan-tena ny olombelona. (Joba 1:9-11) Afaka manaporofo anefa isika fa tena tia an’Andriamanitra, rehefa manao ny fanompoana kristianina. Mpitory maro no mankatò hatrany an’ilay didy hitory sy hampianatra, na dia miatrika zava-tsarotra aza, na koa tsy liana ny ankamaroan’ny olona. Tena mampifaly ny fon’i Jehovah izany tsy fivadihana sy fiaretana izany!—Ohab. 27:11.

3 Anisan’ny manatanteraka ny fikasan’Andriamanitra koa ny fanompoantsika. Hoy i Jehovah momba ny fandringanana ny tontolon’i Satana amin’ny hoavy tsy ho ela: “Ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah.” (Ezek. 39:7) Mba hahalalan’ireo firenena an’izany, dia tena mila manambara hatrany ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” ny mpanompony.—Apok. 14:6, 7.

4 Fototra hitsarana ny olona: Fototra hitsarana ny olona koa ny fitoriana ny vaovao tsara. Nilaza ny apostoly Paoly fa ho avy i Kristy Jesosy, ka hamaly “an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tes. 1:8, 9) Miankina amin’ny fomba andraisany ny vaovao tsara no hitsarana ny olona. Noho izany, dia tena manana andraikitra lehibe ny mpanompon’Andriamanitra! Mamonjy aina ilay hafatra momba ilay Fanjakana, ka tsy tokony hiahotra hilaza azy io isika, raha tsy te hivesatra trosan-dra.—Asa. 20:26, 27.

5 Fomba isehoan’ny famindram-pon’i Jehovah Andriamanitra ny ezaka mitohy ataontsika, mba hanampiana ny mpiara-belona amintsika hahazo sitraka aminy. (1 Tim. 2:3, 4) Fantatsika fa miovaova foana ny fiainan’ny olona, ka miverimberina mitsidika azy isika ary mampirisika azy hitady an’i Jehovah, dieny mbola misy fotoana hanaovana izany. Maneho taratry ny “halehiben’ny fangoraham-pon’Andriamanitsika” isika raha manao izany, satria “tsy iriny hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.”—Lioka 1:78; 2 Pet. 3:9.

6 Mitondra soa ho antsika: Ho voaro isika, raha be atao foana amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Manampy antsika ‘hanao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’ izany, sady miaro antsika tsy ho voaloton’ity tontolo ratsy ity. (2 Pet. 3:11-14; Tit. 2:11, 12) Koa enga anie isika “hifahatra tsara sy tsy ho voahozongozona ary ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo”, satria fantatsika fa tsy very maina ny ezaka ataontsika amin’ny fanompoana kristianina.—1 Kor. 15:58.

[Fanontaniana]

1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanompoantsika, ary ahoana no fandraisan’ny olona ny vaovao tsara?

2. Inona no azontsika porofoina amin’ny alalan’ny fanompoana kristianina?

3. Nahoana isika no tena mila mampahafantatra hatrany ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany?

4. Nahoana ny asa fitoriana no azo lazaina fa fototra hitsarana ny olona?

5. Ahoana no isehoan’ny famindram-pon’Andriamanitra eo amin’ny fanompoantsika?

6. Inona no soa ho azontsika, raha be atao foana amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara