Manahafa An’i Jehovah, Ilay ‘Andriamanitsika Falifaly’
1 Tena tian’i Jehovah ho faly ny olona. Mahavelom-panantenana antsika, ohatra, ny Teniny, izay mirakitra ireo fitahiana omaniny ho an’ny olombelona. (Isaia 65:21-25) Tokony hiharihary ny fifaliantsika, rehefa mitory amin’ny hafa “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly” isika. (1 Tim. 1:11) Tokony ho hita amin’ny fomba ilazantsika ny hafatra momba ilay Fanjakana, fa tia ny fahamarinana sy tena miahy ny olona iresahantsika isika.—Rom. 1:14-16.
2 Marina aloha fa mety ho sarotra indraindray ny ho faly foana. Vitsy ny olona mandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana, any amin’ny faritany sasany. Mety hanan-java-manahirana koa isika indraindray. Mba hahafaly antsika foana àry, dia tokony hotadidintsika fa tena mila mandre ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana torintsika, sy mahazo ny hevitr’izany, ny olona eny amin’ny faritanintsika. (Rom. 10:13, 14, 17) Ny fisaintsainana izany no hanampy antsika ho faly foana, rehefa mampahafantatra ny fandaharam-pamonjena nataon’i Jehovah noho ny famindram-pony isika.
3 Asongadino ireo fitahiana ho avy: Ilaintsika koa ny mandinika tsara ny zavatra lazaintsika. Mety hanonona olana na vaovao iray mitana ny sain’ny olona isika, mba hanombohan-dresaka. Tsy zavatra mahakivy anefa no tokony hibahana amin’ny resatsika. Nirahina hitondra “teny soa mahafaly” isika. (Isaia 52:7; Rom. 10:15) Izany dia hafatra mifototra amin’ny fampanantenan’Andriamanitra hoavy mamirapiratra. (2 Pet. 3:13) Ataovy an-tsaina izany rehefa mampiasa ny Soratra Masina mba ‘hanasitranana ny torotoro fo’ ianao. (Isaia 61:1, 2) Hanampy antsika tsirairay ho faly hatrany sy hijery ny lafy tsaran-javatra foana izany.
4 Azo antoka fa ho tsikaritry ny olona torintsika ny fifaliantsika, rehefa miresaka aminy isika. Aoka àry ho hita taratra amintsika foana ny toetran’i Jehovah, ilay ‘Andriamanitsika falifaly’, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona ao amin’ny faritanintsika isika.