Fivoriana Momba ny Fanompoana
Fanamarihana: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro foana ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mandritra ireo volana misy fivoriambe. Azo ovana araka izay ilaina ilay fandaharana, rehefa hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!” ny fiangonana. Raha mety, dia manokàna 15 minitra amin’ilay Fivoriana Momba ny Fanompoana alohan’ny fivoriambe, mba hijerena indray ireo torohevitra sy fampahatsiahivana avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2006. Afaka iray na roa volana aorian’ny fivoriambenareo, dia manokàna 15 ka hatramin’ny 20 minitra mba hamerenana ireo hevitra nisongadina tamin’ny fivoriambe. Ataovy mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izany (angamba atao solon’ny zavatra ilain’ny fiangonana). Tsy voatery haverina daholo ny fandaharana rehetra tamin’ny fivoriambe. Izay mifandray mivantana amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ihany asongadina. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba nampiharany ilay fanazavana, teny amin’ny fanompoana.
Herinandron’ny 10 Jolay
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona sy ny Mifohaza! Jona. Asehoy amin’ny iray amin’ireo fampisehoana, ny fomba hamaliana ny hoe: ‘Efa Kristianina Izahay.’—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 19.
15 min: Fomba Andaminana sy Itarihana ny Fiangonana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny toko 4 amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah.
20 min: “Ampio ny Mpianatra ho Tia ny Toetran’i Jehovah.”a Asio fampisehoana iray, ampiasana ilay efajoro eo amin’ny faran’ny toko voalohany amin’ny boky Ampianarina. Asehoy ny fomba fampiasana fanontaniana, mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ireo hevitra ao.
Herinandron’ny 17 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Resaho vetivety Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2000, pejy 32. Asongadino ny soa raisintsika rehefa mamaky Baiboly isan’andro, na dia mandritra ny vakansy aza, na amin’ny fotoana hafa tsy anaovana ny asantsika mahazatra.
20 min: “Diniho ny Mety ho Vokatry ny Fifindrana any Amin’ny Tany Manankarena.” Lahateny ataon’ny anti-panahy sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.
15 min: “Manahafa An’i Jehovah, Ilay ‘Andriamanitsika Falifaly.’ ”b Asao ny mpanatrika hilaza izay nanampy azy ireo mba ho faly sy hanana toe-tsaina mety foana, rehefa mitory eny amin’ny faritaniny.
Herinandron’ny 24 Jolay
15 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana an’ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay sy ny Mifohaza! Jolay. Aorian’ny fampisehoana tsirairay, dia resaho indray ilay fampidiran-dresaka nahatonga an’ilay olona ho liana. Resaho ny Valin’ny Fanontanianareo.
15 min: “Mendrika ny Hotahafina Izy Ireo.” Lahateny. Milazà tantarana mpisava lalana manokana vitsivitsy, avy ao amin’ny boky sy gazetintsika, na manadinadìna mpisava lalana manokana miara-miasa amin’ny fiangonana.—Jereo ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ny lohateny hoe “Mpisava Lalana Manokana.”
15 min: “Karakarao Izay Ilain’ny Marenina mba Hanatonany An’Andriamanitra.” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, ataon’ny anti-panahy.
Herinandron’ny 31 Jolay
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jolay. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Aogositra.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: “Manàna Fahazarana Tsara mba Hahazoana Fitahiana Tondraka.”c Asao ny mpanatrika hilaza ny ezaka nataony mba hanaovana zavatra ara-panahy tsy tapaka, sy ny fitahiana noraisiny avy amin’izany.
Herinandron’ny 7 Aogositra
10 min: Fampandrenesana. Resaho vetivety ny fomba hampifanarahana ireo fomba fampiseho ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, amin’ny zava-misy eny amin’ny faritany.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005, pejy 8.
15 min: Fivoriana—Mampandroso ny Fitiavana sy ny Asa Tsara. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2002, pejy 24-25. Asio fanadinadinana fohy manasongadina ny ezaka ataon’ny mpitory mba hanatrehana fivoriana tsy tapaka, sy ny soa raisiny avy amin’izany.
20 min: Mahaiza Mitady Hevitra sy Mampifanara-javatra Rehefa Mitory. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2005, pejy 28-30. Ataovy lahateny ny fehintsoratra 6-11, ary asongadino fa nandinika tsara sy nahay nampifanara-javatra ary nahay nitady hevitra i Paoly, rehefa nitory sy nampianatra. Asao avy eo ny mpanatrika hamaly ireo fanontaniana mifandray amin’ny fehintsoratra 12-14, sy hilaza ny fomba azo ampiharana izany eo an-toerana. Asio fampisehoana iray ahitana ny fomba ahafahan’ny mpitory manovaova ny fomba fitoriny, ka hihevitra izay ilain’ny olona eo amin’ny faritany sy ny toe-javatra misy azy ary ny kolontsainy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.