Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro
Nahazo hery avy tamin’ny fanahy masina ny Kristianina voalohany, ka niezaka mafy nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona betsaka araka izay azony natao. (Asa. 1:8; Kol. 1:23) Hanampy antsika hanahaka ny ohatra tsara dia tsara navelan’izy ireo ilay foto-kevitry ny fivoriambe manokana iray andro, amin’ny taom-panompoana 2007, manao hoe: “ ‘Mifantoha Tanteraka’ Amin’ny Tenin’Andriamanitra.”—Asa. 18:5.
Hoy i Davida Mpanjaka momba ny tenin’Andriamanitra: “Mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina.” (Sal. 19:7) Natao “hanitsiana izay diso” ny Soratra Masina, ka ny fandaharana amin’io fivoriambe manokana io, dia nomanina tamim-pitandremana mba hanasongadinana ny soa azo avy amin’izy io. Mampirisika antsika koa ilay fandaharana vaovao, mba ho tia mianatra Baiboly sy hazoto hitory. (2 Tim. 3:16, 17) Ho hitantsika ao ny fomba azontsika andraisan-tsoa avy amin’ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro, sy ny fomba analavirana ireo fandrika mety hipoitra. Hanampy antsika koa izy io, mba hampiasa ny Tenin’Andriamanitra rehefa manampy ny tanora sy vaovao handroso ara-panahy.
Ataovy azo antoka fa ho eo ianao, rehefa hanomboka ny fandaharana. Araho tsara izany, ary raiso an-tsoratra ny hevitra tianao hampiharina. Henoy amim-pankasitrahana ny tari-dalana sy fampahatsiahivana omena, ary eritrereto ny fomba hampiharanao izay nianaranao.
Hanjary hankasitraka bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra isika, noho ilay fandaharan’ny fivoriambe. Hampahatsiahy antsika koa izy io mba hazoto hitory hatrany, sady hanoro antsika ny fomba hanampiana ny hafa hanao toy izany koa. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny tsy ho diso anjara amin’ny toromarika omen’i Jehovah amin’izany fomba izany!—Isaia 30:20b, 21.