Fandaharana Vaovao ho An’ny Andro Fivoriambe Manokana
1 Ny fandaharan’ny andro fivoriambe manokana hanomboka amin’ny Septambra dia hanasongadina ny loha hevitra hoe “Aza Mitsahatra Manao Fanambarana Momba ny Fahamarinana”. Ny fandaharana manontolo dia hifantoka amin’ny ohatra navelan’i Jesosy ho antsika sy ny fomba nanararaotany ny fahafahana rehetra mba hizarana ny fahamarinana amin’ny hafa. Izy io dia hanantitrantitra ny andraikitra ananantsika hanahaka an’i Kristy amin’ny maha-mpianany antsika, amin’ny fanaovana fanambarana ho an’ny fahamarinana. — 1 Kor. 11:1.
2 Hodinihina ny anjara asa raisin’ny kongregasiona amin’ny fampandrosoana ny fahamarinana. Hohamafisina koa ny fampiasana amin’ny fomba tsara ireo gazetintsika sy ireo zavatra vita an-tsoratra hafa.
3 Ny lahateny fototra ataon’ny mpandahateny mpitsidika dia mitondra ny lohateny hoe “Fanaovana Fanambarana Momba ny Fahamarinana — Izay Tanterahin’izany”. (Jaona 8:32). Io fandaharan’ny andro fivoriambe manokana io dia azo antoka fa hahatonga ny fankasitrahantsika ny fahamarinana ho lalina ary hanampy antsika rehetra hiorina mafy hatrany sy ‘hiorina tsara amin’ny fahamarinana’. — 2 Pet. 1:12; 1 Kor. 15:58.