FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/06 p. 1
  • Taratasy avy Amin’ny Sampana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Taratasy avy Amin’ny Sampana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Fandinihana Amim-pankasitrahana ny “Tranon’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 9/06 p. 1

Taratasy avy Amin’ny Sampana

Ry mpitory ilay Fanjakana,

Tena gaga isika nahafantatra, fa 90 000 mahery ny mpanatrika Fahatsiarovana tamin’ity taona ity. Avo dimy heny eo ho eo noho ny isan’ny mpitory izany. Misy asa lehibe miandry antsika, araka izany.

Hizara laharana manokana amin’ny Mifohaza! isika amin’ity Septambra ity. Hamaly izao fanontaniana izao ilay gazety manontolo: “Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?” Avy amin’ny evolisiona tokoa ve ny olona sa noforonina? Misy fanazavana sy porofo marim-pototra momba izany ao amin’io gazety io.

Tena tsara raha voazaran’ny fiangonana ao amin’ny faritaniny rehetra izy io. Ho voazara ao amin’ny ankamaroan’ny faritanintsika izy io, raha miezaka mitory isan-trano bebe kokoa isika rehetra. Ampirisihina koa ny mpianatra hanome iray ho an’ny mpampianatra azy, sy hiezaka hizara azy io amin’ny mpiara-mianatra betsaka araka izay azo atao.

Maherin’ny 200 eo ho eo noho ny tamin’ny taon-dasa ny isan’ny mpisava lalana maharitra, amin’izao fiandohan’ny taom-panompoana 2007 izao. Hitahy ny asa ataonareo am-pahatokiana anie i Jehovah. Raha mandinika ny toe-javatra misy antsika tsirairay avy isika, dia mety ho maro amintsika no ho afaka hampitombo ny fanompoantsika, ka hanao mpisava lalana maharitra na mpanampy amin’ity taom-panompoana ity.

Vanim-potoana lehibe izao iainantsika izao. Enga anie àry isika handray anjara feno amin’ny asa miandry antsika, sy hanana toe-tsaina tsara foana rehefa mitory ny Fanjakan’Andriamanitra!—2 Tim. 4:5.

Ireo rahalahinareo,

Biraon’ny Sampana eto Madagasikara

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara