Ampio ho Tonga Naman’Andriamanitra ny Olona
1 Ampianarina ny lalan’i Jehovah ny olona avy amin’ny firenena rehetra ankehitriny. (Isaia 2:2, 3) Tsy maintsy ampiana ho tia an’i Jehovah anefa ireny olona ireny, mba hahatonga azy ‘hamoa amin’ny fiaretana.’ (Lioka 8:15; Marka 12:30) Tsy hanana hery hanoherana fitaoman-dratsy sy herim-po hanaovana ny tsara izy, raha tsy ao aminy io fitiavana io. Fomba iray hanampiana ny olona hifandray tsara amin’i Jehovah, ny fanampiana azy hankasitraka kokoa ireo toetran’Andriamanitra. Ampirisiho izy hisaintsaina ireo fanazavana ao amin’ny boky Manatòna An’i Jehovah.
2 Ny modely omenao: Mety hisy fiantraikany lalina eo amin’ny fon’ny olona ampianarinao Baiboly ny zavatra ataonao. Mety haniry hiezaka hinamana amin’i Jehovah izy, rehefa hitany fa ankamaminao sy misy vokany eo aminao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. (Lioka 6:40) Marina tokoa fa matetika ny zavatra ataontsika no misy heriny kokoa eo amin’ny hafa noho ny zavatra lazaintsika.
3 Ny modely omen’ny ray aman-dreny no fomba iray lehibe hampianarany ny zanany ho tia an’i Jehovah. (Deot. 6:4-9) Nangataka torohevitra tamin’ny ray aman-dreny nahita fahombiazana ny mpivady iray, satria naniry hanabe ny zanany hanaraka ny fahamarinana. Hoy ilay lehilahy: “Izay rehetra niresahako dia nilaza fa ny modely omen’ny ray aman-dreny no tena mahomby.” Azon’ny ray aman-dreny ampianarina an-janany amin’ny alalan’ny fomba fiainany àry ny hevitry ny hoe “sakaizan’i Jehovah.”—Jak. 2:23.
4 Vavaka avy amin’ny fo: Fomba hanampiana ny hafa hinamana amin’i Jehovah koa ny fampianarana azy hivavaka avy amin’ny fo. Azonao atoro azy angamba ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy, sy ny vavaka maro amim-pahatsorana hita ao amin’ny Baiboly. (Matio 6:9, 10) Mianatra mivavaka ny zanakao sy ny olona ampianarinao, rehefa mandre ny vavaka ataonao. Tsapan’izy ireo ny fitiavanao an’i Jehovah, rehefa reny ny teny avy amin’ny fo lazainao ao amin’ilay vavaka. Ampirisiho izy ireo mba ‘haharitra amin’ny vavaka’ rehefa tojo fitsapana. (Rom. 12:12) Hanjary hitoky amin’i Jehovah sy ho tia azy toy ny namana akaiky izy ireo, rehefa mahita ny fanampiany amin’ny fotoana ilana izany.—Sal. 34:8; Fil. 4:6, 7.