Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 9 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra sy ny Mifohaza! Septambra, miaraka amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37.
15 min: “Ampio ho Tonga Naman’Andriamanitra ny Olona.”a Asao ny mpanatrika hilaza hoe nahoana ny modely omen’ny hafa sy ny vavaka avy amin’ny fo no nanampy azy handroso hatramin’ny batisa.
20 min: Miomàna Hizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Lazao indray ny fandaharana momba ilay ezaka manokana, voaresaka ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra. Ampirisiho ny rehetra hazoto handray anjara. Ampirisiho ireo manana fampianarana Baiboly efa mandroso mba hijery raha mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa ny mpianany, ka handray anjara amin’ilay ezaka manokana. Azon’ny ray aman-dreny jerena koa raha mahafeno fepetra ny zanany. Resaho vetivety ireo fepetra takina, ao amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 79-81.
Herinandron’ny 16 Oktobra
10 min: Fampandrenesana.
20 min: Mandraisa Soa Amin’ny Fianarana Boky. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, manomboka eo amin’ilay lohatenikely eo amin’ny pejy 69 ka hatreo amin’ny lohatenikely voalohany eo amin’ny pejy 72.
15 min: “Inona no Ataonao Loha Laharana?”b Manasà mpitory efa nampiomanina mialoha, hilaza ny nanitsiany ny fandaharam-potoanany mba hanaovana an’ilay Fanjakana ho loha laharana. Asao koa izy ireo hilaza ny fitahiana azony tamin’izany.
Herinandron’ny 23 Oktobra
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana an’ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra sy ny Mifohaza! Oktobra. Asehoy ao amin’ny iray amin’ireo fampisehoana, ny fomba hamaliana ny hoe “Nahoana ianareo no dia mandalo matetika toy izao?”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 20.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: “Mandraisa Soa Feno avy Amin’ny Fivoriana Alohan’ny Fanompoana.”c Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 3, dia miresaha hevitra avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2001, Valin’ny Fanontanianareo, fehintsoratra 4. Resahina ao izay tokony hatao rehefa tsy tonga hitarika ilay fivoriana ny rahalahy mahafeno fepetra.
Herinandron’ny 30 Oktobra
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany, sy hanoratra ny isan’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 voapetrany, ao ambadik’ilay tatitra.
15 min: Ahoana no Hitoriako Amin’ny Mpiara-mianatra Amiko? Lahateny sy fiaraha-midinika miorina amin’ny Mifohaza! 8 Aprily 2002, pejy 16-18. Asao ny mpanatrika hilaza ny fitantarana mahaliana hitany rehefa nitory tamin’ny mpiara-mianatra aminy.
20 min: Fitantarana Momba ny Fanolorana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37. Manasà mpitory hitantara ny vokatra mampahery hitany rehefa nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37. Resaho ny haben’ny faritany vita hatramin’izao, sy izay ilaina hatao mba hamitana azy io tanteraka hatramin’ny 12 Novambra. Manaova fampisehoana ahitana mpitory manao fiverenana mitsidika, ka ny boky Ampianarina no ampiasainy. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina izay Vaovao Momba Ilay Fanjakana tsy ho voazarany alohan’ny faran’ilay ezaka manokana, mba hisy hampiasain’ny hafa.
Herinandron’ny 6 Novambra
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 3-4 amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005, mba hametrahana ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Hatolotra mandritra ny tapany faharoa amin’ny volana Novambra io boky io. Raha ampy ny fotoana, dia asao ny mpanatrika hilaza ny vokatra tsara hitany rehefa nampiasa ilay boky teny amin’ny fanompoana, na tamin’ny fianakaviany.
15 min: Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2006, pejy 28-31.
20 min: Mamelombelona ny Fitoriana ny Teny. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2002, pejy 8-9. Asao ny mpanatrika hilaza hoe inona no fampaherezana azony rehefa manao fanompoana. Asio valin-teny iray na roa efa nomanina mialoha.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.