Mahazo Fitahiana Izay Tia Manolo-tena
1. Ahoana no nampisehoan’i Davida sy Nehemia fa tia nanolo-tena izy ireo?
1 Tsy nisy sahy hiady tamin’i Goliata ny miaramila israelita, rehefa nihantsy azy ireo izy. Ilay zazalahy mpiandry ondry, atao hoe Davida, kosa no nanolo-tena hanao izany, na dia mbola tsy nahay niady aza. (1 Sam. 17:32) Tsy nahavita nanorina indray ny mandan’i Jerosalema ny Jiosy avy babo. Nanolo-tena hiala tamin’ny asany àry i Nehemia, mba ho any an-toerana sy handamina ilay fanorenana. Asa ambony anefa ilay nialany, satria mpandroso divay ho an’ny mpanjakan’i Persia izy. (Neh. 2:5) Samy notahin’i Jehovah ireo lehilahy roa ireo, noho ny toe-tsaina tsara nananany.—1 Sam. 17:45, 50; Neh. 6:15, 16.
2. Nahoana ny Kristianina no tokony ho tia manolo-tena?
2 Tsy tia manolo-tena ny olona amin’izao “andro farany” izao. Be atao loatra mantsy izy ireo, ary “tia tena” ny maro aminy. (2 Tim. 3:1, 2) Mety ho variana loatra amin’ny fiainany ny olona iray, ka tsy hahamarika intsony an’izay mila fanampiana. Tsy manolo-tena hanampy ny hafa àry izy, rehefa ilaina izany. Irintsika Kristianina anefa ny hanahaka an’i Jesosy, satria nanolo-tena hanampy ny hafa izy. (Jaona 5:5-9; 13:12-15; 1 Pet. 2:21) Ahoana no anehoantsika fa tia manolo-tena isika, ary inona avy no fitahiana ho azontsika?
3. Ahoana no anehoantsika fa tia manolo-tena isika rehefa any am-pivoriana, ary inona avy no fitahiana azo avy amin’izany?
3 Ampio ireo rahalahy: Manome “fanomezana ara-panahy” ho an’ny hafa isika, rehefa manolo-tena hanome valin-teny, isaky ny misy fiaraha-midinika any am-pivoriana. (Rom. 1:11) Hanome voninahitra an’i Jehovah isika raha manao izany. Hilentika kokoa ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny fahamarinana, ary ho tiantsika kokoa ny mivory. (Sal. 26:12) Rehefa misy mpianatra tsy afaka manao ny anjarany koa amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, dia afaka manolo-tena hisolo azy isika. Hanatsara ny fahaizantsika mampianatra izany.
4. Ahoana koa no anehoantsika fa tia manolo-tena isika?
4 Afaka miezaka ny hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny fiangonana koa ny rahalahy. Asehony amin’izany fa tia manolo-tena izy ireo. (Isaia 32:2; 1 Tim. 3:1) Azon’ny rehetra atao ny manolo-tena hiasa any amin’ireo sampan-draharaha samihafa any amin’ny fivoriambe. Hizotra tsara ny zava-drehetra amin’izay. Azontsika atao koa ny manolo-tena hiara-manompo amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany, na manome sakafo azy. Hisy “fifampaherezana” eo amintsika, raha manao izany isika. (Rom. 1:12) Tia manolo-tena koa ve isika, ka manampy ny kamboty, mpitondratena, marary, kilemaina, reny mitaiza kely, ary ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana? Sady hahafaly antsika izany no hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah.—Ohab. 19:17; Asa. 20:35.
5. Inona avy ireo asa mifandray amin’ny Efitrano Fanjakana, ka ilana mpiasa an-tsitrapo?
5 Maneho an’io toe-tsaina io koa isika, rehefa mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika, mba hanadiovana sy hikojakojana ny Efitrano Fanjakana. Ilaina koa anefa ny mpiasa an-tsitrapo hanorina Efitrano Fanjakana, satria mihamaro ny olona manaiky ny fahamarinana. Nisy mpivady nanolo-tena hanampy ny Biraon’ny Fanorenana, na dia tsy nanana traikefa momba ny fanorenan-trano aza izy ireo. Nampiofanina izy ireo tatỳ aoriana, ary lasa mahay mandatsa-biriky izao. Hoy ilay anabavy: “Niara-niasa akaiky tamin’olon-kafa izahay, ka lasa ninamana be tamin’izy ireny. Reraka izahay rehefa hariva ny andro, nefa nihanatanjaka ny finoanay.”
6. Nahoana no lazaina fa ny fitoriana no asa an-tsitrapo lehibe indrindra azontsika atao?
6 Mitoria! Ny fitoriana ilay Fanjakana no asa an-tsitrapo lehibe indrindra azontsika atao ankehitriny. Rehefa ampiana mba hahalala sy hampihatra ny torohevitry ny Baiboly ny olona, dia hanjary hisy dikany ny fiainany, ary hahazo hery hialana amin’ny fanao ratsy izy. Fantany koa ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly momba ny hoavy, ka mampahery azy. Faly àry isika rehefa mampianatra Baiboly, satria mitondra soa maharitra ho an’ny olona izany. (Jaona 17:3; 1 Tim. 4:16) Mety ho azontsika atao ny mandray anjara bebe kokoa amin’io asa io, ka mirotsaka ho mpisava lalana mpanampy na maharitra, na mifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa.
7. Nahoana no tena ilaina ankehitriny ny olona tia manolo-tena?
7 Naminany i Davida Mpanjaka fa ‘hazoto hanolo-tena’ ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa hanjaka ny Mesia. (Sal. 110:3) Manafaingana ny fitoriana izao i Jehovah, ka be dia be ny asa azo anoloran-tena. (Isaia 60:22) Efa nilaza taminy ve ianao hoe: “Inty aho, iraho aho”? (Isaia 6:8) Hampifaly an’i Jehovah tokoa isika ary handray soa be dia be, raha tia manolo-tena.