Afaka Manampy ny Vaovao Isika Rehetra
1 Tsy vitan’olon-tokana ny manampy olona iray ho tonga mpianatr’i Jesosy. Mampiasa ny “mpiara-miasa” aminy rehetra i Jehovah, mba hanampiana ny mpianatra Baiboly handroso ara-panahy. (1 Kor. 3:6-9) Manampy an’ireo vaovao isika tsirairay, rehefa manome valin-teny avy amin’ny fo mandritra ny fivoriana. Manao izany koa isika amin’ny alalan’ny fitondran-tenantsika tsara, izay manaporofo fa miasa eo amintsika ny fanahin’Andriamanitra. (Jaona 13:35; Gal. 5:22, 23; Efes. 4:22, 23) Inona koa no azo atao hanampiana ireo vaovao?
2 Eo anivon’ny fiangonana: Afaka maneho fiahiana an’ireo sambany vao mivory isika rehetra. Azontsika atao, ohatra, ny manatona mba hiarahaba azy, ary mifampiresaka aminy aloha sy aorian’ny fivoriana. Nitantara ny fihetseham-pony tamin’izy nivory voalohany ny lehilahy iray. Hoy izy: “Tena naneho fitiavana tamiko ireo olona tao, na dia mbola tsy nifankahalala mihitsy aza izahay. Tsy nahita olona toy izany mihitsy aho tany amin’ny fiangonanay taloha. Niaiky aho fa nahita ny fivavahana marina.” Natao batisa izy, fito volana taorian’ny namonjeny fivoriana voalohany.
3 Anaovy teny mampahery avy amin’ny fo ilay mpianatra Baiboly rehefa manao fandrosoana. Nahavita niaritra fanoherana ve izy? Manatrika fivoriana tsy tapaka ve izy? Niezaka namaly ve izy tany am-pivoriana? Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana ve izy, sa lasa mpitory? Derao izy noho ny fandrosoana vitany. Hampahery sy hanome toky azy izany.—Ohab. 25:11.
4 Rehefa mitarika fampianarana Baiboly: Mitondra mpitory hafa any amin’ny olona ampianariny Baiboly ny mpitory sasany. Tiany hifankazatra amin’ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana mantsy ilay mpianatra. Asao hanatrika fivoriana avy hatrany ny olona ampianarinao Baiboly, fa aza mangataka andro. Miezaha hampifankahalala azy amin’ny hafa, rehefa tonga mivory izy. Miady mafy amin’ny fahazaran-dratsy, toy ny fifohana sigara, ve izy? Misy manohitra ny fianarany Baiboly ve ny mpianakaviny? Mety hanampy azy ny firesahana amin’ny mpitory efa niatrika toe-javatra toy izany.—1 Pet. 5:9.
5 Mila fanampiana ara-panahy avy amin’ny fiangonana ireo vaovao. Afaka manampy azy ireny handroso isika rehetra, raha maneho fiahiana manokana azy.