Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 9 Aprily
10 min: Fampandrenesana. Ampirisiho ny rehetra hijery ilay DVD mitondra ny lohateny hoe Davida: Ilay Nitoky Tamin’Andriamanitra, mba hiomanany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandro. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa sy ny Mifohaza! Martsa. Asaivo mametraka fanontaniana iray hovaliana amin’ny fitsidihana manaraka ilay mpitory amin’ny fampisehoana iray.
15 min: “Afaka Manampy ny Vaovao Isika Rehetra”a Eo amin’ny fehintsoratra faha-4, dia asao ny mpanatrika hitantara ny fomba nampaherezan’ireo rahalahy sy anabavy teo anivon’ny fiangonana azy, tamin’izy mbola tsy vita batisa. Azonao atao ny mampiomana mialoha olona iray na roa.
20 min: “Ezaka Manokana Eran-tany Hampahafantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra ‘Araho ny Dian’i Kristy!’ ”b Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-3, dia asaivo mitantara ny zavatra niavaka hitany ny mpanatrika, tamin’izy nizara fanasana ho amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny taon-dasa. Na asio fitantarana avy ao amin’ny Diary 2007, pejy faha-6 ka hatramin’ilay lohatenikely, pejy faha-10.
Herinandron’ny 16 Aprily
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manadinadìna mpisava lalana mpanampy roa. Asaivo tantarainy ny zavatra sasany mahafinaritra azy amin’ny asan’ny mpisava lalana, sy ny soa raisiny amin’izany.
30 min: “DVD Mirakitra Hafatra Tsy Tontan’ny Ela.” Vakio ny Salamo 91:2 sy 31:14, ary hazavao vetivety. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika avy eo, ireo fanontaniana momba ny tantaran’i Davida. Ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra faharoa sy fahatelo ampiasaina. Aorian’izay, dia manadinadìna fianakaviana vitsivitsy, ka asaivo resahiny ny soa noraisiny avy tamin’ilay hoe “Fanitaram-pahalalana”, ao amin’ilay DVD. Eo am-pamaranana dia vakio ny Salamo 56:11.
Herinandron’ny 23 Aprily
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty ary ankasitraho ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily sy ny Mifohaza! Aprily.
15 min: Fahazavana Tena Mahagaga! Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2007, pejy 12-14.
20 min: “Aza Matahotra Mitory ny Tenin’Andriamanitra.”c Asaivo manazava ireo andinin-teny voatonona ny mpanatrika, raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 30 Aprily
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aprily.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: ‘Mahazoa Sakaiza Amin’ny Harena Tsy Marina.’ Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana dimy minitra: Miara-midinika amin’ny mpianakaviny ny raim-pianakaviana iray, momba ny fanomezana azon’izy ireo atolotra ho an’ny asa maneran-tany sy ho an’ny fiangonana.
Herinandron’ny 7 Mey
10 min: Fampandrenesana.
15 min: Fandaharana Momba ny Toeram-pivavahana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, toko 11.
20 min: “Rehefa Tsy Tratra An-trano ny Olona.”d Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.