FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/07 p. 1
  • “Mampahatanjaka ny Reraka” i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Mampahatanjaka ny Reraka” i Jehovah
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Aoka isika handray hery indray ka tsy ho ketraka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • “Omeny Hery ny Reraka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 5/07 p. 1

“Mampahatanjaka ny Reraka” i Jehovah

1 Reraka isika rehetra indraindray. Tsy ny asa fivelomana na ny zavatra ampiasana herim-batana ihany no mandreraka, fa eo koa ny olana atrehintsika amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Tim. 3:1) Ahoana anefa no ahazoantsika hery, mba hanompoantsika an’i Jehovah foana? Ilaintsika ny miantehitra amin’i Jehovah, dia ilay manana ‘hery tsy toha.’ (Isaia 40:26) Fantany izay ilaintsika, ary vonona hanampy antsika izy.—1 Pet. 5:7.

2 Fanampiana avy amin’i Jehovah: Nampiasa ny fanahy masina i Jehovah tamin’izy namorona izao rehetra izao. Io hery io koa no ampiasainy mba hanatanjahana antsika. Mampody ny herintsika ny fanahy masina, rehefa reraka isika. (Isaia 40:31) Saintsaino hoe: ‘Oviana moa no fotoana farany nangatahako ny fanahy masina, mba hananako hery hamitako ny adidy kristianina?’—Lioka 11:11-13.

3 ‘Mamoa amin’ny fotoany ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona, ary tsy mba malazo ny raviny.’ (Sal. 1:2, 3) Hatanjaka toy io hazo io isika, raha mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, misaintsaina izay vakintsika, ary mianatra tsy tapaka an’ireo boky aman-gazetintsika.

4 Ampiasain’i Jehovah koa ny mpiray finoana amintsika mba ‘hanampy sy hankahery’ antsika. (Kol. 4:10, 11) Mahazo fampaherezana isika rehefa mifampiresaka amin’izy ireo, any am-pivoriana. Manatanjaka antsika koa ny valin-teny sy ny anjara ataon’izy ireo. (Asa. 15:32) Ny anti-panahy indrindra indrindra no tena afaka mampahery sy manampy antsika hanana finoana matanjaka. (Isaia 32:1, 2)

5 Fanompoana: Aza mitsahatra mitory, na dia reraka aza ianao! Mamelombelona mantsy ny fanaovana fanompoana tsy tapaka, fa tsy mba toy ny asa hafa. (Matio 11:28-30) Ny fitoriana ny vaovao tsara no manampy antsika hanao an-tsaina foana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay ary ny fitahiana horaisintsika.

6 Maro ny zavatra mbola tokony hatao, alohan’ny handringanana ity tontolo ity. Tokony hazoto hanompo hatrany àry isika sady “hiantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Hanampy antsika hamita ny fanompoantsika i Jehovah, satria “mampahatanjaka ny reraka Izy.”—Isaia 40:29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara