FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/07 p. 1
  • Miaro ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaro ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahaiza Mandresy Lahatra Rehefa Mampianatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Fampirisihana Hampiasa Baiboly
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • “Mahery ny Tenin’​Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Ampiasao ny Baiboly eny amin’ny saha fitoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 5/07 p. 1

Miaro ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?

1 Maro ny olona tsy manaja ny Baiboly, eto amin’ity tontolo ity. Ny tena Kristianina kosa miaro azy io amin-kerim-po. Resy lahatra isika fa ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo.’ Ekentsika àry fa ‘ny tenin’Andriamanitra no fahamarinana’, araka ny nolazain’i Jesosy Kristy tao amin’ny vavaka. (2 Tim. 3:16; Jaona 17:17) Ahoana no ahafahantsika miaro ny Tenin’Andriamanitra?

2 Miezaha mitadidy andinin-teny: Azo antoka fa nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy. Izany no nahafahany nampianatra ny Soratra Masina, nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. (Lioka 4:16-21; 24:44-46) Inona no hanampy antsika hitadidy andinin-teny maro? Mila mamaky Baiboly isan’andro isika, ary avy eo misaintsaina izay andinin-teny tena mampahery antsika na ilaintsika eny amin’ny fanompoana. Tokony hovakintsika ao amin’ny Baiboly koa ireo andinin-teny voatonona, rehefa manomana fivoriana. Azo atao ny manomana valin-teny miorina amin’ireny andinin-teny ireny. Tokony hanaraka ao amin’ny Baiboly koa isika, rehefa mamaky andinin-teny ny mpandahateny. Ho afaka ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’ isika, raha mahatadidy andinin-teny maro.—2 Tim. 2:15.

3 Mampiasà Baiboly: Tokony hampiasa Baiboly isika rehefa manao fanompoana. Miresaha andinin-teny iray amin’ny olona itorianao, raha mbola azo atao. Ny Baiboly no fitaovana tsara indrindra azonao ampiasaina, raha mametraka fanontaniana izy na manohitra izay lazainao. Mety ho afaka hanasongadina hevitra avy ao amin’ny Baiboly ianao, na dia sahirana aza ilay olona. Azonao atao, ohatra, ny milaza hoe: “Avelao aho hamaky andinin-teny iray, alohan’ny handehanako.” Mamakia andinin-teny raha mbola azo atao, ary avelao ilay olona hanaraka an’ilay vakiteny.

4 Hoy ny olona iray rehefa naseho azy avy ao amin’ny Baiboly fa tsy telo izay iray Andriamanitra: “Niangona foana aho hatramin’izay, fa mbola tsy fantatro mihitsy hoe milaza an’izany ny Baiboly!” Nanaiky hianatra Baiboly izy. Nilaza i Jesosy fa hihaino ny feony ny ondriny. (Jaona 10:16, 27) Tokony hampiasa Baiboly àry isika rehefa mitory. Izany no fomba tsara indrindra hanampiana ny olona tso-po hahafantatra ny fahamarinana. Aoka àry isika hiaro ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara