FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/07 p. 1
  • Ankasitraho ny Tombontsoa Anananao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ankasitraho ny Tombontsoa Anananao!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Maniry Mafy Hanompo Amin’ny Fomba Feno Kokoa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ankasitraho ny Tombontsoanao Miara-miasa Amin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Te Hahazo Tombontsoam-panompoana Indray ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 8/07 p. 1

Ankasitraho ny Tombontsoa Anananao!

1 Nanome tombontsoa maro isan-karazany ho an’ny olombelona foana i Jehovah hatramin’izay. Nahazo izany avokoa na lahy na vavy, na antitra na tanora, ary na inona na inona sarangany. (Lioka 1:41, 42; Asa. 7:46; Fil. 1:29) Inona avy no tombontsoa omeny antsika ankehitriny?

2 Ny tombontsoa sasany ananantsika: Tombontsoa ny ampianarin’i Jehovah. (Matio 13:11, 15) Tombontsoa sarobidy koa ny midera azy amin’ny alalan’ny valin-teny omentsika any am-pivoriana. (Sal. 35:18) Tokony hazoto hanome valin-teny àry isika, rehefa asaina mandray anjara ny mpanatrika. Raha heverintsika ho tombontsoa koa ny andraikitra sy ny anjara samihafa eo anivon’ny fiangonana, dia hiezaka hanao izany tsara araka izay vitantsika isika. Moa ve isika mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanadiovana sy ny fikojakojana ny Efitrano Fanjakana?

3 Olona an-tapitrisany no misalasala raha mihaino ny vavaka ataony Andriamanitra. Manana tombontsoa kosa anefa isika, satria mihaino ny vavaka ataontsika ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao. (Ohab. 15:29) I Jehovah mihitsy no mihaino ny vavaky ny mpanompony. (1 Pet. 3:12) Tsy noferany ny fotoana azontsika iresahana aminy. Afaka mivavaka aminy isika “na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona”, ary fanomezana tena sarobidy tokoa izany!—Efes. 6:18.

4 “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra”: Anisan’ny tombontsoa tsara indrindra ananantsika ny ‘miara-miasa amin’Andriamanitra’ amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakany. (1 Kor. 3:9) Mahafa-po sy mamelombelona io asa io. (Jaona 4:34) Tsy voatery hampiasa olombelona i Jehovah mba hanao azy io. Nankininy tamintsika anefa izany, satria tia antsika izy. (Lioka 19:39, 40) Tsy ny olona rehetra no nomen’i Jehovah an’io tombontsoa io. Tsy maintsy mahafeno ny fepetra takiny ireo mandray anjara amin’ny fanompoana. (Isaia 52:11) Asehontsika ve fa sarobidy amintsika io tombontsoa io, ka anisan’ny zavatra ataontsika loha laharana isan-kerinandro?

5 Mahafinaritra ny fiainantsika, noho ny tombontsoa omen’i Jehovah antsika. (Ohab. 10:22) Aza hamaivanina mihitsy izany! Avy aminy ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” Ho faly io Raintsika any an-danitra io, raha asehontsika fa tena mankasitraka ny tombontsoam-panompoana ananantsika isika.—Jak. 1:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara