FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/07 p. 1
  • Taratasy avy Amin’ny Sampana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Taratasy avy Amin’ny Sampana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Taratasy avy Amin’ny Sampana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1998
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1998
  • Fomba Anitarana ny Fanompoana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 9/07 p. 1

Taratasy avy Amin’ny Sampana

Ry mpitory ilay Fanjakana,

Faly isika mahita fa nandroso tsara ny asa teto Madagasikara, nandritra ny taom-panompoana 2007! Nahatratra 2 296 ny mpisava lalana maharitra tamin’ny Febroary. Tampon’isa vaovao izany! Manana mpisava lalana manokana 280 izao isika. Be dia be tokoa ny asa vitan’izy ireo. Nisy mpisava lalana manokana roa, ohatra, nanampy mpiangona 20 sy mpitondra fivavahana tao amin’ny fiangonana iray, mba hanaiky ny fahamarinana. Misy mpitory tsy vita batisa dimy izao ao amin’ny faritanin’ireo mpisava lalana ireo, ary 40 no manatrika fivoriana tsy tapaka.

Tamin’ny taon-dasa isika, dia nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 hoe “Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!” Efa ho 700 000 no voazara teto amintsika. Nametraka azy io tao amin’ny hotely ny anabavy iray. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nampiseho azy io taminy ny mpiasa iray tao, ary nilaza toy izao: ‘Mba lazao amiko re raha diso ny fivavahako e! Nampianarina anay mantsy fa tsy mety maty ny fanahy, nefa tsy izany no voalaza ato. Ity koa misy hoe: “Mivoaha ao aminy, ry oloko!”’ Nianatra Baiboly àry ilay mpiasa. Tsy nahita tory ny anabavy iray tsy nitory intsony, rehefa avy namaky an’ilay taratasy mivalona. Nivory izy ny alahadin’iny, ary nangataka hianatra Baiboly.

Ny hanampy ny olona tso-po hahalala izay tena ampianarin’ny Baiboly no tanjontsika, rehefa mizara ireny taratasy ireny. (Matio 28:19, 20) Aza hadinoina ny mandray an-tsoratra an’izay rehetra liana, ary miverena mitsidika azy, ka manomboha fampianarana Baiboly raha azo atao. Faly izahay miara-miasa akaiky aminareo amin’io asa lehibe io. Matokia fa tena tia anareo izahay.

Ireo rahalahinareo,

Biraon’ny Sampana eto Madagasikara

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara