Aza Miahotra!
1. Ahoana no ampisehoantsika fa tsy “mamihina ny soa” amin’ny olona isika?
1 Hita hoe tsy “mamihina ny soa” amin’izay tokony homena izany ao amin’ny faritanintsika isika, rehefa mazoto mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Ohab. 3:27) Miresaka momba ny hoavy mahafinaritra eo ambany fitondran’Andriamanitra isika amin’izany. Io no vaovao tsara indrindra azontsika resahina amin’ny olona. Mety ho efa betsaka ny olona iresahanao momba an’io fanantenana io, amin’ny alalan’ny fitoriana tsy ara-potoana na ny fametrahana boky aman-gazety. Nahoana anefa raha atao tanjona koa ny hitarika fampianarana Baiboly, raha mbola tsy manao izany ianao?
2. Inona no mety hisakana antsika tsy hitarika fampianarana Baiboly?
2 Indraindray dia ny fomba fihevitsika no olana lehibe indrindra misakana antsika tsy hitarika fampianarana Baiboly. Miahotra, ohatra, ny sasany satria mahatsiaro tena ho tsy mahay. Ny hafa indray mihevitra hoe be atao loatra izy. Mety hanampy anao mba tsy hiahotra hitarika fampianarana Baiboly ny soso-kevitra eo ambany.—Matio 28:19; Asa. 20:20.
3. Nahoana isika no ampy fahaizana mba hampianatra Baiboly?
3 Tsy matoky tena: Mety hieritreritra ianao hoe tsy mahay mampianatra Baiboly, noho ianao tsy dia nahita fianarana, na noho ny antony hafa. ‘Olon-tsotra tsy dia nahita fianarana’ ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, nefa nahomby tamin’ny fanompoana. Ahoana no nahaizan’izy ireo nampianatra ny fahamarinana? “Niaraka tamin’i Jesosy” izy ireo, ary nianatra taminy. (Asa. 4:13) Hitantsika ao amin’ny Soratra Masina ny zavatra nampianarin’io Mpampianatra Lehibe io sy ny fomba fampianarany. Mahazo fampianarana ara-baiboly tsy manan-tsahala koa isika, na dia mety ho tsy dia nahita fianarana aza.—Isaia 50:4; 2 Kor. 3:5.
4. Inona no ianarantsika avy amin’i Amosa?
4 Nampiasa mpaminany i Jehovah indraindray, mba hananatra ny mpitondra na olona ambony hafa nanao fahadisoana. Tso-piaina ny mpaminany sasany, toa an’i Amosa. Niaiky izy hoe: “Tsy mba mpaminany aho, na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho.” (Amosa 7:14) Na izany aza, dia tsy niahotra i Amosa fa nampita ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Amazia, mpisorona nivavaka tamin’ny zanak’omby. (Amosa 7:16, 17) Mila tadidintsika foana fa asan’Andriamanitra no ataontsika, ary homeny antsika ny fahaizana ilaina amin’izany.—2 Tim. 3:17.
5. Nahoana isika no tokony hiezaka hanomboka fampianarana Baiboly, na dia be atao aza?
5 Be atao: Azo inoana fa efa manokana fotoana hanaovana fanompoana tsy tapaka ianao, na dia mety ho be atao aza. Anisan’ny lafim-panompoana mahafinaritra indrindra ny fitarihana fampianarana Baiboly. Tena mahafaly tsy misy hoatr’izany ny mahita olona miova noho ny herin’ny Tenin’i Jehovah! (Heb. 4:12) Faly i Jehovah rehefa mahafoy tena isika manampy olona ‘hanana fahalalana marina tsara ny fahamarinana.’ (1 Tim. 2:4) Na ny anjely aza faly, rehefa misy olona mibebaka noho ny ratsy nataony, ka mandroso ary lasa mpanompon’Andriamanitra matotra.—Lioka 15:10.
6. Inona no voninahitra lehibe ho antsika?
6 Sitrapon’Andriamanitra ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:4) Voninahitra lehibe tokoa ny manao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ka tsy miahotra mitarika fampianarana Baiboly!