Mifampahereza Rehefa eny Amin’ny Fanompoana
1 Tiantsika rehetra ny “teny [mampahery] atao amin’ny antony.” (Ohab. 25:11) Inona no tokony horesahintsika amin’ny mpitory namantsika rehefa eny amin’ny fanompoana, mba hampahery azy?
2 Resaka mampahery: Tena mampahery ny miresaka zavatra manatsara ny fifandraisana amin’Andriamanitra, rehefa eny amin’ny fanompoana. (Sal. 37:30) Afaka miresaka momba izay holazaintsika amin’ny olona itoriantsika isika, na mitantara zavatra mampahery hitantsika vao haingana teny am-pitoriana. (Asa. 15:3) Miezaka mitadidy ireo hevitra nahaliana antsika tamin’ny famakiana Baiboly, na tamin’ny gazety vao haingana, na tany am-pivoriana ve isika? Mety ho azontsika resahina izy ireny, na ny hevitra rentsika tamin’ny lahateny ho an’ny besinimaro.
3 Mety ho kivy isika rehefa misy manohitra nefa tsy mahita havaly. Tsara raha manokana fotoana kely isika rehefa miala eo amin’ilay olona, ka miresaka amin’ilay namantsika ny fomba hamaliana ny fanoherana toy izany amin’ny manaraka. Azo atao ny mijery ny boky Fanjohian-kevitra. Raha misy zavatra nahafinaritra antsika tamin’ny fitorian’ilay namantsika, dia azontsika atao ny midera azy amim-pahatsorana. Hampahery azy izany.
4 Manaova zavatra: Efa ela ve isika no tsy niara-nanompo tamin’ny mpitory sasany ao amin’ny fianarana boky misy antsika? Ho afaka ‘hifampahery’ aminy isika, raha manasa azy ireny hiara-manompo amintsika. (Rom. 1:12) Ho faly ny mpisava lalana mpanampy sy maharitra raha miaraka aminy isika amin’ny fotoana tsy ahafahan’ny ankamaroan’ny mpitory manompo, toy ny amin’ny vao maraina be na amin’ny takariva. Manohana azy ireo isika raha manao izany. Misy mpitory tsy afaka manompo firy intsony ve satria tsy salama na osa? Mety ho azontsika asaina hiara-mampianatra amintsika izy. Samy handray soa avy amin’izany, na izy na ianao.—Ohab. 27:17.
5 Mampahery ny hafa foana ny teny fiderana, na dia amin’ny zavatra madinika aza. Tokony hitadidy izany isika rehefa miara-manompo amin’ny hafa. Irintsika mantsy ny ‘hifampahery hatrany.’—1 Tes. 5:11.