FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/09 p. 3
  • Efa Nanao Safidy ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Nanao Safidy ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa Nanao Safidy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Inona no Fitsaboana Tsara Indrindra?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 1/09 p. 3

Efa Nanao Safidy ve Ianao?

Manaiky hanao fandidiana tsy misy fampidiran-dra ny toeram-pitsaboana sasany, rehefa mangataka izany ny marary. Fantatrao tsara ve hoe inona avy ireo karazana fitsaboana tsy ampiasana ra? Mila mahafantatra an’izany ianao, mba handraisanao fanapahan-kevitra voahevitra tsara momba ny fitsaboana sy fandidiana. Jereo àry ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra. Valio ireo fanontaniana etsy ambany avy eo, ary mivavaha momba ny fanapahan-kevitrao.—Fanamarihana: Tokony hahay handanjalanja ny ray aman-dreny, rehefa mijery an’ilay video miaraka amin’ny zanany kely, satria ahitana sarina dokotera manao fandidiana ao.

1) Inona no antony lehibe indrindra tsy aneken’ny Vavolombelon’i Jehovah hampidiran-dra? 2) Inona no fitsaboana tian’ny Vavolombelon’i Jehovah? 3) Inona no zo lehibe indrindra ananan’ny marary? 4) Raha mifidy fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ny olona iray, nahoana izy no tsy azo lazaina hoe tsy mahay mandray andraikitra na tsy mahay misaina? 5) Inona no zavatra roa tsy maintsy ataon’ny dokotera haingana, rehefa misy fahaverezan-dra be? 6) Misy sokajiny efatra ny fitsaboana azon’ny olona isafidianana, raha tsy te hampidiran-dra izy. Inona avy izany? 7) Inona no ataon’ny dokotera mba a) hampihenana ny ra very, b) hitehirizana ny liomena na sela mena, d) hanairana ny vatana mba hamokatra ra, ary e) hampiasana indray ny ra very? 8) Hazavao ilay teknika fitsaboana atao hoe: a) fanampohana ny ra sy b) cell-saver. 9) Inona no fanazavana tokony hotadiavinao rehefa hifidy fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ianao? 10) Mahavita manao fandidiana lehibe sy sarotra ve ny dokotera, nefa tsy mampiasa ra? 11) Inona no fandrosoana vita eo amin’ny sehatry ny fitsaboana?

Ny tsirairay no manapa-kevitra raha hanaiky ny fitsaboana naseho tao amin’ilay video izy na tsia, arakaraka ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly. Efa nanapa-kevitra tsara ve ianao hoe inona avy no karazana fitsaboana tianao hatao aminao sy ny zanakao? Ary efa nameno karatra FMF ve ianao? Diniho tsara indray ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2004 sy 15 Oktobra 2000. Hita ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2006 koa ny hoe “Hanaiky Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototry ny Ra na Fitsaboana Ampiasana ny Rako ve Aho?” Ampiasao izy io, rehefa handray fanapahan-kevitra ianao mahakasika ny fitsaboana hekenao na tsy hekenao. Hamarino avy eo raha voasoratra araka ny tokony ho izy ao amin’ny karatra FMF ny safidinao. Tokony hohazavainao tsara amin’ny solontena nofidinao sy ny havanao tsy Vavolombelona ny fanapahan-kevitra noraisinao.

[Efajoro, pejy 3]

• Efa nanapa-kevitra tsara ve ianao hoe inona avy no karazana fitsaboana tianao hatao aminao sy ny zanakao?

• Misy karatra FMF efa feno ve any aminao any, raha sendra misy loza mitranga?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara