Aoka Isika Hiomana Tsara ho Amin’ny Fahatsiarovana
Fifaliana sy voninahitra ho an’ireo mpanara-dia an’i Kristy ny miomana tsara ho amin’ny fankalazana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy! (Lioka 22:19) Inona avy no tokony hatao mba hiomanana ho amin’ny Fahatsiarovana?
◼ Ora sy toerana: Tokony ho fantatry ny rehetra tsara ny ora sy ny toerana hanaovana ny Fahatsiarovana. Raha fiangonana mihoatra ny iray no hampiasa ny Efitrano Fanjakana, dia zava-dehibe ny hanombohana sy hamaranana ara-potoana, ary tokony hilamina tsara ny olona rehefa mirava. Voafetra mantsy ny fotoana manelanelana ireo fivoriana. Tokony hatao izay tsy hitangoronana eo amin’ny vavahady, na lalantsara, na sisin-dalana, na parking.
◼ Taratasy fanasana: Manana taratasy fanasana ampy tsara ve ny mpitory, ary efa voavakin’izy ireo ve izy io? Efa nanao famerenana ny fomba hanolorana azy io ve ianao? Iza avy no hasainao? Tokony hotaperina daholo ny taratasy fanasana rehetra.
◼ Fitaterana: Mety hisy olona liana na rahalahy na anabavy mila fanampiana amin’io lafiny io, na fanampiana hafa. Efa misy fandaharana hikarakarana azy ireo ve?
◼ Mofo sy divay: Aza hampandalovina ny mofo sy ny divay, raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Tokony hokarakaraina sy hatao vonona ilay karazana mofo sy divay ilaina.—Jereo ao amin’ny Tilikambo 15 Febroary 2003, p. 14-15, feh. 14, 17.
◼ Efitrano Fanjakana: Tokony hodiovina tsara mialoha ilay efitrano hampiasaina. Tokony hoentina any koa ny vilia, vera, latabatra, ary lamban-databatra mety tsara, ka hapetraka mialoha eo amin’ny toerany. Raha tsy ao amin’ny Efitrano Fanjakana no hanaovana ilay fankalazana, dia hamarino raha mandeha tsara ny fanamafisam-peo, mba handre tsara ny rehetra. Tokony hofantenana sy homena toromarika mialoha, momba ny andraikiny sy izay tokony hataony, ny mpikarakara ny mpanatrika sy ny mpanolotra ny mofo sy divay. Ampahatsiahivo izy ireo mba hanao fitafiana sy taovolo mendrika.
Fankalazana tena lehibe ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, ka tiantsika ho vonona tsara amin’izany ny fiangonana sy isika tsirairay. Nanome zava-tsoa maro ho an’ny olombelona i Jehovah, noho ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, Zanany malala. Azo antoka àry fa hotahiny tokoa ireo tena mankasitraka izany.