Hita Amin’ny Fanompoanao ve fa Tia An’Andriamanitra Ianao?
1. Nahatonga an’i Jesosy hanao inona ny fitiavany an’Andriamanitra?
1 Ny fitiavana no nahatonga an’i Jesosy hanao ny fanompoany. Ny lafiny rehetra tamin’ny fanompoany no porofo tsy azo lavina fa tia an’i Jehovah izy. Hoy izy: “Mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.” (Jaona 14:31) Voninahitra ho antsika mpanara-dia an’i Jesosy koa ny mampiseho fa taratry ny fitiavantsika lalina an’Andriamanitra ny fanompoana ataontsika.—Mat. 22:37; Efes. 5:1, 2.
2. Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’i Jehovah isika?
2 “Hohamasinina anie ny anaranao”: Asehontsika fa tia an’Andriamanitra sy mandray anjara amin’ny fanamasinana ny anarany isika, rehefa mazoto miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany, isaky ny misy hirika azo anaovana izany. (Sal. 83:18; Ezek. 36:23; Mat. 6:9) Toy ny fanompoan’i Jesosy ihany, dia hita taratra foana eo amin’ny fanompoantsika koa fa tena tiantsika hohamasinina ny anaran’i Jehovah ary hatao ny sitrapony.—Mat. 26:39.
3. Hazavao fa afaka manampy antsika handresy vato misakana ny fitiavantsika an’i Jehovah.
3 Mandrisika antsika handresy vato misakana ny fitiavana: Mandresy ny sakana rehetra ny fitiavana an’i Jehovah. (1 Kor. 13:4, 7) Tojo toe-javatra maro nety ho nahatonga azy tsy hanompo intsony i Jesosy. Nanampy azy handresy an’ireny vato misakana ireny anefa ny fitiavany lalina an’i Jehovah sy ny faniriany hanao ny sitrapony. (Mar. 3:21; 1 Pet. 2:18-23) Miatrika zava-tsarotra maro koa isika, ary afaka manampy antsika handresy azy ireny ny fitiavana an’Andriamanitra. Tsy hatahotra isika, fa hanao izay fara herintsika kosa eo amin’ny fanompoana, raha manaraka akaiky ny modely navelan’i Kristy. Mety hisy fiantraikany amintsika ny fanoheran’ny fianakaviana, ny aretina, ny fandrosoan’ny taona, na ny tsy firaikan’ny olona. Tsy mahasakana antsika tsy hampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah anefa izany, ka tanterahintsika tsara araka izay azo atao ny fanompoantsika.
4. Inona no tombontsoa azontsika, noho isika tia an’i Jehovah?
4 Manan-kery ny fitiavana, ary faly isika satria azontsika aseho amin’ny fanompoantsika fa tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo isika. (1 Kor. 13:13) Mihamanatona haingana ny fotoana hanamasinana tanteraka ny anaran’i Jehovah. Koa enga anie ‘hitombo bebe kokoa hatrany ny fitiavantsika’!—Fil. 1:9; Mat. 22:36-38.