FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/09 p. 2
  • “Aoka Ianareo Harehitry ny Fanahy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aoka Ianareo Harehitry ny Fanahy”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Maintsy Be Zotom-po Amin’ny Fanompoana Foana Isika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Hazoto toa An’i Jehovah sy Jesosy ve Ianao Amin’ny Vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Torio Amim-pahadodonana ny Vaovao TsaraTorio Amim-pahadodonana ny Vaovao Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • “Mazoto Amin’ny Asa Tsara” ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 11/09 p. 2

“Aoka Ianareo Harehitry ny Fanahy”

1. Inona no toetra tokony hisongadina eo amin’ny fanompoantsika?

1 Tsy tokony hisy lafiny tsy handroso ny fanompoantsika. Izao kosa aza no ampirisihana antsika: “Aoka ianareo harehitry ny fanahy. Manompoa an’i Jehovah.” (Rom. 12:11) Misy zavatra maro mety hampihena ny zotom-pontsika eo amin’ny fanompoana anefa. Inona àry no azontsika atao mba ‘hiredareda toy ny afo’ ny zotom-pontsika?—2 Tim. 1:6, 7.

2. Inona no ifandraisan’ny fianarana samirery sy ny zotom-po eo amin’ny fanompoana?

2 Fianarana samirery: Tia ny lalàn’Andriamanitra sy mandray am-po ny fahamarinana raketin’izy ireny ny mpitory mahita vokatra. (Sal. 119:97) Maro ny zavatra fantatsika rehefa mianatra samirery isika, ka izany no manentana antsika sy mampitombo ny zotom-pontsika. Tia an’ilay Loharanon’ireny fahamarinana ireny isika ary te hitory ny vaovao tsara, ka midera an’Andriamanitra sy manambara ampahibemaso ny anarany. (Heb. 13:15) Hita fa sarobidy amintsika ny vaovao tsara rehefa mazoto mitory azy io isika.

3. Hazavao fa misy vokany eo amin’ny fanompoantsika ny fanahin’Andriamanitra?

3 Mivavaha mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra: Tsy miantehitra amin’ny herin’ny tenany ny mpitory mahita vokatra. Avy amin’ny fanahin’Andriamanitra mantsy ny tena zotom-po. (1 Pet. 4:11) Ho vitantsika ny hitory amim-pahasahiana rehefa manatona an’i Jehovah isika, satria manatanjaka antsika izy. (Isaia 40:26, 29-31) “Nahazo ny fanampian’Andriamanitra” ny apostoly Paoly rehefa tojo zava-tsarotra teo amin’ny fanompoany. (Asa. 26:21, 22) Manampy antsika ho be zotom-po amin’ny fanompoana ny fanahy masina, ka tokony hivavaka isika mba hahazoana azy io.—Lioka 11:9-13.

4. Inona avy no vokany raha be zotom-po isika? Inona anefa no mila tandremana?

4 Vao mainka ho be zotom-po ny Kristianina hafa rehefa mahita antsika be zotom-po. (2 Kor. 9:2) Raha atokisantsika ny hafatra torintsika ary mafana fo isika miresaka azy io, dia azo inoana fa handray ny hafatra torintsika ny olona. Tokony hahay handanjalanja sy halemy fanahy foana anefa isika na dia be zotom-po aza. (Tit. 3:2) Hajaintsika foana ilay tompon-trano, ary hajaintsika koa ny safidiny.

5. Inona no torohevitry ny Baiboly tokony hampiharintsika?

5 Enga anie ka “harehitry ny fanahy” foana isika! Aoka isika hiezaka mba ho be zotom-po, ka hianatra samirery sy hazoto hivavaka amin’i Jehovah, ilay manome antsika ny fanahiny mahery. Raha manao izany isika, dia hanompo amin-jotom-po satria miasa amintsika ny fanahy masina ary manana fatokisana tanteraka isika.—1 Tes. 1:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara