FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/10 p. 1
  • ‘Tsy Mahay Mitory Aho!’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tsy Mahay Mitory Aho!’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no Manana ny Toetra Ilaina mba Hitoriana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Vonona Tsara Hampianatra ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Torio ny Fanjakan’i Jehovah!
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Modely Iray Tokony Harahina Akaiky
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 1/10 p. 1

‘Tsy Mahay Mitory Aho!’

1. Nahoana ianao no tsy tokony hihevitra hoe tsy mahay mitory?

1 Efa niteny toy izany ve ianao? Matokia fa tsy miankina amin’ny fianarana manokana na ny fahaizana miavaka ny fahaizana mitory. Voalaza mantsy fa ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ ny sasany tamin’ireo mpianatra voalohany. Nahita vokatra anefa izy ireo rehefa nitory ny vaovao tsara, satria tapa-kevitra ny hanahaka an’i Jesosy.—Asa. 4:13; 1 Pet. 2:21.

2. Inona avy no nampiavaka ny fomba fampianatr’i Jesosy?

2 Fomba fampianatr’i Jesosy: Tsotra sy azo ampiharina ary mora azo ny fampianaran’i Jesosy. Nanaitra ny sain’ny olona ny fanontaniana sy fanoharana ary fampidiran-dresaka tsotra nampiasainy. (Mat. 6:26) Tena niahy ny olona izy. (Mat. 14:14) Hita tamin’ny fomba fiteniny koa fa feno fahasahiana izy sady nanana fahefana. Fantany mantsy fa i Jehovah no naniraka azy sy nanome hery azy hamita ny asany.—Lioka 4:18.

3. Inona no ataon’i Jehovah mba hanampiana antsika?

3 Manampy antsika i Jehovah: Mpampianatra tsy manan-tsahala izy. Mampiofana antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany izy mba hahaizantsika hitory. (Isaia 54:13) Nasainy noraketina an-tsoratra ny fomba fampianatr’i Jesosy ka afaka mandinika sy maka tahaka izany isika. Manome fanahy masina koa i Jehovah, ary mampiofana antsika amin’ny alalan’ireo fivoriana. (Jaona 14:26) Avy aminy koa ireo mpitory efa za-draharaha, izay manampy antsika hahita vokatra kokoa.

4. Nahoana isika no afaka matoky hoe hahay hitory ny vaovao tsara?

4 Matokia àry fa hahay hitory ianao, satria ‘Andriamanitra no mahatonga antsika ho ampy fahaizana.’ (2 Kor. 3:5) “Ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” isika, raha miantehitra amin’i Jehovah sy mahay manararaotra ny fanampiana rehetra omeny amim-pitiavana.—2 Tim. 3:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara