FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/10 p. 3
  • Mahaiza Mifanohana Rehefa Mitory

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahaiza Mifanohana Rehefa Mitory
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampio ny Namanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Namana Mahay Manampy
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mifampahereza Rehefa eny Amin’ny Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Aoka isika hanampy ny hafa eny amin’ny saha fitoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 3/10 p. 3

Mahaiza Mifanohana Rehefa Mitory

1. Inona no soa azontsika rehefa miara-manompo amin’ny mpitory hafa isika?

1 Naniraka mpianatra 70 lahy hitory i Jesosy, indray andro, ary nasainy nandeha “tsiroaroa” izy ireo. (Lioka 10:1) Afaka nifanampy sy nifampahery àry izy ireo teny am-pitoriana. Ahoana no hampisehoantsika fa mifanohana isika rehefa miara-mitory?

2. Inona no tokony hataontsika rehefa mitory ilay namantsika, ary nahoana?

2 Mihainoa: Mihainoa tsara rehefa mitory ilay namanao. (Jak. 1:19) Raha mamaky andinin-teny izy, dia manaraha ao amin’ny Baibolinao. Jereo izay miteny, na ilay namanao izany na ilay olona itoriany. Raha manaraka tsara an’ilay resaka ianao, dia hanao toy izany koa ilay olona itoriana.

3. Rahoviana isika no afaka manampy an’ilay namantsika?

3 Fantaro ny fotoana hitenenana: Manome voninahitra an’ilay namantsika isika, raha tsy tapahintsika ny teniny. (Rom. 12:10) Avelao izy hamita tsara ny anjarany. Mety tsy hahita holazaina anefa izy indraindray. Mety hanohitra na hametraka fanontaniana koa ilay olona itoriany, ka mila vonjy amintsika izy. Tokony hanampy azy isika amin’izay, saingy tsy hiresaka loha hevitra hafa, fa hanohy ny fanazavana efa nomeny. (Ohab. 16:23; Mpito. 3:1, 7) Izay hampahazava an’ilay hafatra torina no tokony hataontsika.—1 Kor. 14:8.

4. Inona no hanampy antsika ho faly sy hahomby rehefa manompo?

4 “Faly ireo fitopolo lahy rehefa niverina” avy nitory. (Lioka 10:17) Mila mihaino sy mamantatra ny fotoana hitenenana àry isika, rehefa miara-mitory amin’ny hafa. Ho faly sy hahomby isika amin’izay rehefa manompo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara