Ampio Hitory Ireo Vaovao
1. Inona no tsapanao tamin’ianao nitory voalohany?
1 Tadidinao ve ny fotoana voalohany nitorianao isan-trano? Azo inoana fa natahotra be ianao, nefa faly satria niaraka taminao ilay nampianatra Baiboly anao na ny mpitory hafa, ka nanampy anao. Efa mpitory za-draharaha ianao izao, ka tsara toerana mba hampiofana an’ireo vaovao.
2. Inona no mila ianaran’ny mpitory vaovao?
2 Ilain’ny mpitory vaovao ny mianatra manombo-dresaka, mampiasa Baiboly rehefa mitory eo am-baravarana, miverina mitsidika, ary manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly. Tokony hianarany koa ireo endriny samihafa amin’ny fitoriana, toy ny fitoriana eny an-dalana na any amin’ny toeram-piasana. Afaka manampy azy hihamahay ianao, amin’ny modely sy ny soso-kevitra omenao.
3. Ahoana no hanomezantsika modely ho an’ny hafa?
3 Manomeza modely: Nasehon’i Jesosy ny mpianany ny fomba fitory. (Lioka 8:1; 1 Pet. 2:21) Rehefa hiara-manompo amin’ny mpitory vaovao ianao, dia manomàna fomba fitory tsotra sy azony alaina tahaka, angamba avy ao amin’ny boky na gazetintsika. Anontanio izy raha tsy mampaninona azy ny hoe ianao no hitory ao amin’ny varavarana iray na roa voalohany, mba hahafahany hihaino anao. Azonao anontaniana azy ny fahitany ny fomba fitorinao. Izany no hanampy azy hahita fa ilaina ny miara-miasa rehefa manompo. Ho mora aminy koa ny hanaiky ny soso-kevitra homenao azy rehefa hitory izy avy eo.
4. Ahoana no azo anampiana mpitory vaovao, rehefa avy mihaino azy mitory isika?
4 Manomeza soso-kevitra: Natoron’i Jesosy ny mpianany ny fomba fitory. (Mat. 10:5-14) Afaka manao toy izany koa ianao. Henoy tsara ilay mpitory vaovao rehefa mitory. Mety ho hitanao fa misy tokony hohatsarainy, nefa derao amim-pahatsorana foana izy. Alohan’ny hanomezana soso-kevitra, dia mba jereo aloha raha efa nihatsara ilay zavatra tsy nety, rehefa mitory ao amin’ny trano manaraka izy. Angamba izy natahotra fotsiny. Tadidio koa fa tsy mitovy ny fahaizan’ny mpitory, ary misy fomba samihafa azo anaovana zavatra iray.—1 Kor. 12:4-7.
5. Inona no azontsika lazaina rehefa hanolotra soso-kevitra?
5 Mety hangataka soso-kevitra aminao ny mpitory vaovao. Na tsy manao izany aza anefa izy, dia ampio ihany. Ahoana no hanaovana izany, nefa tsy hampahatezitra azy? Misy mpitory za-draharaha miteny toy izao: “Mba misy soso-kevitra kely ity”, “Mba afaka manoro hevitra anao ve aho?”, “Sao dia mba tsara kokoa raha...?”, na “Sarotra tamiko ny ... tamin’izaho vao nitory, nefa nanampy ahy ny...” Ilaina indraindray ny miara-mandinika ny boky Fandresen-dahatra. Lafin-javatra iray momba ny fomba fitoriny ihany resahina, mba tsy hahakivy azy.
6. Nahoana ny vy no azo lazaina fa mampaharanitra ny vy, eo amin’ny resaka fanompoana?
6 Ny vy no mampaharanitra ny vy: Nampirisihin’i Paoly handroso sy hiezaka mafy amin’ny fampianarana i Timoty, izay efa mpitory za-draharaha. (1 Tim. 4:13, 15) Mety ho efa an-taonany maro ianao no nitory, nefa tokony hanatsara ny fahaizanao foana. Mianara amin’ny mpitory miara-manompo aminao, na dia ireo tsy dia za-draharaha aza. Aoka koa ianao ho mailaka hanampy ny hafa amin-katsaram-panahy, indrindra fa ireo vaovao, mba ho lasa mpitory ny vaovao tsara mahay izy ireo.—Ohab. 27:17.