‘Ny Fahendren’ny Olona dia Hamarinin’izay Ataony’
1. Nahoana ny olona sasany no manohitra antsika?
1 Manohitra antsika ny olona indraindray, satria tsy azony ny zavatra inoantsika. Angamba izy naheno resaka tsy marina momba antsika, ohatra hoe avy amin’ny fampitam-baovao. Antsoina hoe “sekta mampidi-doza” koa isika any amin’ny toerana sasany. Ahoana no tokony hiatrehantsika an’izany?
2. Inona no hanampy antsika tsy ho kivy rehefa misy manaratsy?
2 Aza atao mahakivy: Tsy azon’ny olona koa ny zavatra ninoan’i Jesosy sy ireo Kristianina voalohany, ka matetika izy ireo no noharatsina. (Asa. 28:22) Tsy nahatonga azy ireo ho menatra ny hitory anefa izany. Hoy i Jesosy: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony.’ (Mat. 11:18, 19) Nazoto nanao ny sitrapon’ny Rainy foana izy, ary natoky fa ho hitan’ny olona tso-po ihany hoe sarobidy ny fahamarinana. Tsy ho kivy koa isika raha mitadidy fa na ilay Zanak’Andriamanitra aza noharatsin’ny olona.
3. Nahoana isika no tsy tokony ho gaga rehefa misy manohitra sy manaratsy?
3 Nilaza i Jesosy fa nankahala azy izao tontolo izao, ka hankahala ny mpianany koa. (Jaona 15:18-20) Tsy tokony ho gaga àry isika raha misy manaratsy sy manohitra. Efa ampoizintsika aza fa hitombo izany arakaraka ny anatonan’ny farany, satria vao mainka tezitra i Satana. (Apok. 12:12) Faly isika satria manaporofo izany hoe kely sisa dia ho rava ny tontolon’i Satana.
4. Ahoana no tokony havalintsika, raha misy manohitra antsika?
4 Valin-teny malefaka: Tokony ho tsara fanahy foana isika rehefa mamaly an’izay olona manohitra antsika. (Ohab. 15:1; Kol. 4:5, 6) Raha tso-po izy, dia azonao anontaniana hoe inona no heviny ary nahoana. Mety ho afaka hanazava koa ianao hoe maro ny zavatra tsy marina lazain’ny olona momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha tsara fanahy isika rehefa mamaly an’ilay olona, dia mety handinika indray an’ireo zavatra reny momba antsika izy, ka hihaino amin’ny manaraka. Aleo anefa miala amim-panajana raha tezitra be izy. Afaka matoky isika fa sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoantsika, na inona na inona eritreretin’ny olona momba antsika.—Isaia 52:7.