FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 20-22
  • Tsy tianao ve ny hokianina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy tianao ve ny hokianina?
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1. Raiso amin’ny fomba tsara ny fanakianana
  • 2. Aza manome tsiny loatra ny tenanao
  • 3. Mangataha fanamarinana
  • 4. Toneo ny saina
  • 5. Diniho ny votoatiny fa tsy ny fomba fiteny
  • 6. Ahenao ny hamafin’ny fanakianana
  • Azonao atao ny mandresy ny fanakianana
  • Ahoana no fomba hilazana ny fanakianana
  • Ahoana no Tokony Hataoko Rehefa Misy Manome Torohevitra Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Inona no Hataoko fa Bedy Foana Aho?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • ‘Ny Fahendren’ny Olona dia Hamarinin’izay Ataony’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Tsy Mora Kivy
    Mifohaza!—2019
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 20-22

Tsy tianao ve ny hokianina?

TSAROANAO ve ny fotoana nanakianana anao farany? Miseho amin’ny olona rehetra izany indraindray, ary noho ny antony maro samy hafa.

Nety ho nanakiana anao ny hafa mba hanamboniana ny tenany. Matetika anefa, ny fanakianana dia avy amin’ny olona izay mihevitra aoka izany ny hahasoa anao: Ralehilahy vadinao, izay nahamarika ny tsy nety tamin’ny sakafo nokarakarainao; ravehivavy vadinao, izay nahita fa tsy mifanaraka amin’ny fitafianao ny karavatonao; namana iray, izay nanome tsiny anao fa ianao dia tsy mikarakara ny fahasalamanao. Na koa, raha avy amin’ny mpampiasa anao izany, ohatra na avy amin’ny iray amin’ireo ray aman-dreninao (raha toa ianao ka mbola tsy ampy taona). Ny fanakianana dia karazam-pifehezana izay mikendry ny hanitsy ny zavatra nolazainao na nataonao.

Raha tsorina, tamin’ny iray amin’ireo toe-javatra voalaza ireo, moa ve ianao nandray tsara ny fanakianana? Sa ianao tezitra, ka tonga hatramin’ny filazana tamin’ilay olona fa tokony hikarakara ny raharahany manokana izy?

Mihoatra ny iray no vinitra rehefa mahazo fanakianana. Nanjary tezitra izy ireny, sosotra. Ny hafa very hevitra ary tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra fa ‘tsy mba manao na inona na inona tsara mihitsy’ izy ary dia ketraka.

Moa ve ianao anisan’ireo izay tsy tia hokianina? Fantaro fa tsy ianao irery no toy izany, satria maro be no toa anao. Mety ho azo atao ve ny hianatra handray ny fanakianana amin’ny fomba tsy dia mampanaintaina loatra, na hihevitra izany ho mafy loatra?

1. Raiso amin’ny fomba tsara ny fanakianana

Toa hafahafa aminao ve ny hoe misy olona sasany maniry ny fanakianana, na mitady izany mihitsy aza? Nanao izao fanamarihana izao ny gazetiboky (Bits and Pieces) iray: “Ny mpitarika manan-tsaina (...) dia mahalala fa tsy afaka ny hanana ny marina foana izy amin’ny fotoana rehetra. Izany no antony aniriany ireo fampitahana fomba fijery samy hafa— mba hisorohana ireo fahadisoana, na koa mba hanitsiana haingana araka izay azo atao ireo efa vita. ”

Toy ny anamarihan’ny hafa eo amin’ny fomba fitafintsika ireo antsipiriany izay tsy hitantsika, toy ny vozon’akanjo miforitra na karavato mivilana, dia toy izany koa ny mety hahitan’izy ireo lafiny amin’ny maha-isika antsika izay mety tsy ho hitantsika. Tsy tokony hoheverinao fa mila ady aminao izay manao fanamarihana aminao, fa ataovy mahafaly anao izany. Raiso ho toy ny fomba ahafahanao miana-javatra izany. Ataovy ho toy ny fotoana azo hararaotina mba hanatanjahana ny toe-tsainao izany.

2. Aza manome tsiny loatra ny tenanao

Moa ve ianao tena sarotiny amin’ny tenanao? Moa ve ianao mamerimberina miresaka ny amin’ny fahadisoanao? Na koa, rehefa misy olona misarika ny sainao ho amin’ny fahadisoana iray, moa ve ianao manampy ao an-tsaina ny lisitra lava be momba ireo fahalemena izay tsy misy ifandraisana mihitsy amin’izany?

Nilaza toy izao i Harold Bloomfield; “Handratra antsika indrindra ireo fanakianan’ny hafa raha toa isika ka efa sorena sahady amin’ireo fanakianantsika ny tenantsika manokana. Na dia rehefa misy olona midera na manao fanakianana kely fotsiny antsika aza, dia matetika isika no mora mahita kokoa ny zavatra tsy ampy amintsika noho ireo toetra tsarantsika. ”

Aoka ianao ho marina rehefa manombana ny maha-ianao anao. Nefa ahoana no ahazoanao mahafantatra izay marina? Alao sary an-tsaina hoe nahazo fanakianana mitovitovy amin’izany ny namana akaiky iray. Ahoana no hirinao ho fihetsiny? Ny hitsetra tena ve? Ny hisafoahany? Ny handavany amim-piavonavonana ny torohevitra tsara iray? Tsia; azo inoana fa ho tianao ny hihainoany ilay fanakianana tsy amim-pahatafintohinana araka izay azo atao, ny hamakafakany izany amim-pahamarinana ary hampiasa izany mba hanatsarana ny toetrany.

Nahoana no tsy manao toy izany amin’ny tenanao?

3. Mangataha fanamarinana

“Tsy tiako ny fihetsikao! ” Toy izany no karazana fanamarihana mandratra izay tsy ho tianao ny handre azy, sa tsy izany?

Ny tsara hatao indrindra amin’izay dia ny mangataka fanazavana hentitra. Toy izao no fanazavana vakintsika ao amin’ny diam-penin’i Alan Garner (ao amin’ilay bokiny hoe Conversationally Speaking): “Matetika ny fanakianana dia aseho amin’ny endriky ny fiheverana ankapobeny (...). Raha toa ianao ka mangataka ireo antsipiriany, dia ho afaka hahita marina tokoa izay manelingelina ny hafa. (...) Toy ny fanaon’ny mpanao gazety, dia mametraha àry fanontaniana mba hamantarana hoe iza, inona, oviana, aiza, nahoana, ary ahoana. ”

Ohatra, amin’ny teny manaitra hoe “Tsy tiako ny fihetsikao! ’, dia afaka mamaly ianao hoe: ‘Fihetsika inona marina no eritreretinao? ’ Raha toa ka tsy voafaritra tsara ilay valinteny, dia manontania indray hoe: ‘Nahoana izany no mahasosotra? Ho tianao ve ny hanome ahy ohatra iray izay nananako io fihetsika io indray mandeha? ’ Raha toa ka ny faniriana hiresaka fa tsy ny hamaly faty no manosika anao, ny fanontaniana toy izany dia afaka hanampy anao, ianao sy ilay mpanome tsiny anao, mba hampifantoka ny sainareo amin’ireo antsipiriany. Ireo koa dia afaka mampiseho raha toa ilay fanomezan-tsiny ka misy antony na tafahoatra loatra. Hanome fotoana kely amboniny anao koa izany mba hamakafakana ilay raharaha.

4. Toneo ny saina

Raha tezitra ilay olona manome tsiny anao, dia toy izao no tsy maintsy atao, araka ny voalazain’i David Burns: “Na manana ny marina na tsia ilay mpanakiana anao, alohan’ny zavatra rehetra, dia ataovy izay hifanarahanao aminy. ” Hitondra soa ho anao ve izany? Eny, satria izany dia hampitony ny fahatezeran’ilay mpanakiana anao, mba hampangiana azy ary mba hahatonga azy ho mora hifandraisana.

Raha toa anefa, ka miseho ho miaro tena avy hatrany ianao — fironana mety hataonao raha toa ilay fiampangana natao anao ka tsy marina — dia manolotra langilangy azy ianao mba hamelezana anao. Hoy i M. Burns: “Ho voaporofonao fa ny fanafihan’ilay mpanohitra anao dia hitombo hery! ”. Ny tsara indrindra tokony hatao àry, dia ny hahitana marimaritra iraisana alohan’ny handinihana ilay raharaha ifanolanana.

5. Diniho ny votoatiny fa tsy ny fomba fiteny

Nandre ny iray tamin’ny mpifanolobodirindrina taminy nitaraina noho ny fitondrantenan’ny zanany lahy ny reny iray. Ilay fanebahana dia natao tamin-kalozana ary tao anatin’ny toe-tsaina vonona handresy lahatra. Ilay reny dia nety ho nilaza anakampo mora foana fa ireo fanamarihana nataon’ilay mpifanolobodirindrina taminy dia tsy voamarina na nisy fikasan-dratsy, ary dia tena voan’ny fakam-panahy hanao izany tokoa izy.

Kanefa, taorian’ny nahazoany antoka fa nisy fahamarinany ilay fanakianana, dia nilaza tamin’ilay zanany lahy izy hoe: “Tsy ireo olona tiantsika foana akory no hanamarika ny fahadisoantsika, na dia mety hahatsara antsika aza izany. Hampiasaintsika ireny fanamarihana ireny mba hanatsara antsika. ”

Moa ve nisy nanao teny namelively anao? Angamba ilay olona nanao izany mafy fo na be fialonana mihitsy aza. Ianao na ny olon-kafa iray dia mety hanana fahafahana hanampy azy mba handresy io kileman-toetra io. Nefa aza mandà ny fanamarihany satria hoe nanafintohina ny fomba nilazany izany. Diniho ny votoatin’ilay fanakianana. Misy maha-marina ilay izy ve? Raha eny, aza mandà io fomba hahafahanao mihatsara io.

6. Ahenao ny hamafin’ny fanakianana

Indro misy zavatra mety hahagaga anao: azonao atao, amin’ny toe-javatra sasany, ny mametra ny hatetika na ny hamafin’ireo fanakianana azonao. Marina io fotopoto-pitsipika io indrindra fa eo amin’ny fifandraisanao amin’ireo olona izay manana fahefana eo aminao. Amin’ny heviny ahoana?

Nambolena tany Palestina fahiny ny nigela (cumin noir). Tsy sahala amin’ny natao tamin’ireo zavamaniry hafa, fa tsy mba novelezina tamin’ny kodia mavesatra na rolao mafonjan’ireo fitaovana fivelezana izy io, fa tamin’ny hazo na tamin’ny tehina. Nahoana izy no nahazo io fikarakarana manokana, malefaka kokoa io? Satria ireo voany, kely sady malemy, dia tsy nila fively mafonja izay nety ho niteraka fahasimbana taminy.

Ao amin’ny Baiboly, ny bokin’ny Isaia dia naka ohatra ny amin’ny nigela mba hampisehoana ny fahasamihafan’ny herin’ny fifehezana. Raha toa ny olona iray ka mandray tsara ny fananarana moramora, dia tsy ilainy intsony ny fananarana mafimafy kokoa amin’io raharaha io. — Isaia 28:26, 27.

Noho izany, azonao sorohina ny ho voateny mafy amin’ny fanaovan-javatra haingana hanafoanana ilay fanakianana amin’ny endriny tsotra. Ohatra, fantatrao ve fa diso fidirana matetika ianao amin’ny asa? Ahitsio izao ankehitriny izao io fahazarana io, alohan’ny hitenenan’ny mpampiasa anao momba izany aminao. Efa nanintona ny sainao ho amin’io lafiny io ve izy? Tongava ara-potoana avy hatrany, alohan’ny hahatsiarovany ho tsy maintsy handray fepetra tena hentitra kokoa.

Azonao atao ny mandresy ny fanakianana

Mety hanorisory ny mandre fanakianana. Hirinao ny tsy hanabataban’ny olona anao, ny hitsaharan’izy ireo amin’ny fitsarana anao, ny tsy hanomezany ‘torohevitra mahasoa’ anao.

Nefa tsy ny faniriana sy ny fanoherana no hampitsahatra ny fanakianana. Izy io, amin’izao fotoana izao, dia ao anatin’ny toetra mampiavaka ny olombelona. Ankoatr’izany, ianao dia tsy manana fahefana mihitsy hametra ny fahaiza-mandanjalanja ananan’ny hafa rehefa manome ny heviny izy na dia tsy anontaniana aza.

Aza be fanahiana fa hararaoty izay azonao fehezina: ny fihetsikao. Ampiasao ireo fanoloran-kevitra sasantsasany omena ato amin’ity lahatsoratra ity mba handresena ny fanakianana sy mba hahatonga izany tsy dia hampanaintaina loatra. Tsy hanenenanao izany.

Ahoana no fomba hilazana ny fanakianana

Raha toa ka tsy ankasitrahanao loatra ny hahazo fanakianana, dia mety ho sahirana koa ianao hanambara ny anao. Indro misy torohevitra sasantsasany tsara hotadidina rehefa manakiana.

Lazao amin’ny teny fohy izany. Matetika amin’ny fitenenana tafahoatra, miteraka fikorontanana, ireo fiezahana mba tsy handratra ilay olona anaovanao fanakianana dia voaporofo fa tsy mahomby.

Alaviro ny fampisehoana ny fahadisoana kely tsikaritrao eo amin’ny hafa. Mahatonga fahatezerana eo amin’ny hafa izany, ary, noho izany, rehefa ela ny ela dia tsy horaharahaina intsony ny hevitrao. Mety hahatonga azy ireo handositra anao koa izany. Tsy tanteraka avokoa ny rehetra ary manana fahadisoana daholo. Tsy ho voahitsy amin’ny fotoana iray daholo akory ny rehetra. Raha toa ka tsy dia lehibe loatra ny tsiny voamarikao eo amin’ny hafa, dia avelao amin’izao. Milaza tsara ny momba izany ny Baiboly: “Ny fitiavana manarona fahotana maro.” — 1 Petera 4:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara