FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/10 p. 8
  • Fomba Fanolorana Gazety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fanolorana Gazety
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 8/10 p. 8

Fomba Fanolorana Gazety

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra

“Araka ny hevitrao, inona no ilaintsika mba hahasambatra antsika? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Matio 5:3.] Iray amin’ireo zavatra mahasambatra nolazain’i Jesosy io voalaza eo io. Ho hitanao ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona no nolazain’i Jesosy hoe tena mahasambatra.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 16.

Mifohaza! Aogositra

“Be dia be ny filma misy resaka demonia sy mpamosavy ary filalaovana ody. Tena misy ve ny demonia, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny 1 Korintianina 10:20.] Resahin’ity lahatsoratra ity hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny demonia, ary inona no azontsika atao mba hiarovan-tena amin’izy ireny.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 20.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra

Miresaha zava-dratsy nandeha tamin’ny vaovao ary mahalasa saina ny olona eo an-toerana. Anontanio izy avy eo hoe: “Efa mba nieritreritra ve ianao hoe nahoana ny olona no mahavita zava-dratsy toy izany? [Avelao izy hamaly.] Manome fanantenana antsika ny Baiboly. [Vakio ny 2 Petera 3:13.] Ho hitanao ato amin’ity gazety ity izay lazain’ny Baiboly hoe mahatonga ny faharatsiana, ary ahoana no hanafoanan’Andriamanitra an’izany tsy ho ela.”

Mifohaza! Septambra

“Araka ny hevitrao, mety hanampy ny olona tsy hahatsiaro ho manirery ve ny telefaonina na ny fitaovam-pifandraisana hafa, sa mety ho vao mainka hahatonga ny olona ho manirery? [Avelao izy hamaly.] Misy soso-kevitra afaka manampy ny olona tsy hahatsiaro ho manirery ity. [Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:35.] Mbola misy torohevitra tsara hafa, avy ao amin’ny Baiboly, ato amin’ity gazety ity.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara