Ahoana no Atao Rehefa Mitory eny An-dalana?
1. Inona no fomba iray anahafantsika an’i Jesosy?
1 Tsy nisalasala nitory mihitsy i Jesosy, na teny an-dalana na teny amin’ny toerana falehan’ny olona. (Lioka 9:57-61; Jaona 4:7) Nitondra hafatra tena lehibe izy, ka naniry hiresaka azy io tamin’ny olona maro araka izay azo atao. Anisan’ny fomba tsara anampiana olona hahazo ny fahendrena avy amin’Andriamanitra ny fitoriana eny an-dalana. (Ohab. 1:20) Hahita vokatra kokoa isika, raha manana risi-po sy mahay manavaka.
2. Inona no ezaka mila atao, rehefa mitory eny an-dalana?
2 Manàna risi-po: Tsara raha isika no manatona ny olona, fa tsy mijoro fotsiny na mipetraka amin’ny toerana iray dia miandry ny olona hanatona antsika. Mitsikia, ary jereo ilay olona. Aoka ianao ho tony sy ho tsara fanahy. Tsara koa raha mandeha tsirairay ny mpitory rehefa manatona olona, na dia maromaro aza no miaraka. Mitadiava hevitra mba hanampiana an’ireo liana. Anontanio amin-katsaram-panahy, ohatra, izy hoe ahoana no ahafahanareo manohy an’ilay resaka indray? Misy mpitory tsy manova ny toerana itoriany, amin’izay mba hitany foana ny olona efa niresahany, ka afaka manohy an’ilay dinidinika izy ireo.
3. Ahoana no ampisehoantsika fa mahay manavaka isika?
3 Mahaiza manavaka: Mila mahay manavaka isika, rehefa manapa-kevitra hoe aiza no hijoro ary iza no hohatonina. Tsy voatery hitoriana daholo izay rehetra mandalo. Mahaiza mandinika. Avelao handeha ilay olona raha efa hita hoe maika. Mila mitandrina koa isika rehefa mitory eo anoloan’ny toeram-piasana, mba tsy hampanahy ny tompon’andraikitra ao. Matetika no tsara raha izay olona mivoaka avy ao no itoriana, fa tsy izay miditra ao. Mitandrema koa sao mampahatahotra ny olona ny fomba anatonantsika azy. Mila mahay manavaka isika rehefa manolotra zavatra hovakiny. Taratasy mivalona omena fa tsy gazety, raha tsy dia liana ilay olona.
4. Nahoana no tsara sy mahafinaritra ny mitory eny an-dalana?
4 Afaka mamafy voan’ny fahamarinana be dia be ao anatin’ny fotoana fohy isika, rehefa mitory eny an-dalana. (Mpito. 11:6) Mety ho tafaresaka amintsika hatramin’ireo olona tsy hitantsika amin’ny fitoriana isan-trano. Maninona àry raha manao fandaharana mba hitoriana eny an-dalana? Ho hitanao fa mahafinaritra sady mandaitra izany!