‘Hohamasinina Anie ny Anaran’Andriamanitra!’
1. Inona no foto-kevitry ny fivoriamben’ny faritra amin’ny taom-panompoana 2012, ary miorina amin’ny inona izy io?
1 Voninahitra lehibe ho antsika ny mitondra ny anaran’i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao! Izy mihitsy no nanendry antsika hitondra ny anarany. Nanomboka tamin’ny 1931 indrindra isika no nantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah. Lasa amantarana antsika ilay anarana mampiavaka an’Andriamanitra. (Isaia 43:10) Tena sarobidy tamin’i Jesosy ny anaran’Andriamanitra, ka io no noresahiny voalohany tao amin’ilay vavaka modely. (Mat. 6:9) Miorina amin’io tenin’i Jesosy io ny foto-kevitry ny fivoriamben’ny faritra amin’ny taom-panompoana 2012, hoe ‘Hohamasinina Anie ny Anaran’Andriamanitra!’
2. Inona no fanazavana ho rentsika any?
2 Inona no ho rentsika any? Ho rentsika ny asabotsy ilay lahateny hoe “Manompoa Manontolo Andro ka Ampahafantaro ny Anaran’Andriamanitra.” Hohazavaina ao amin’izy io hoe nahoana ny fiainan’ireo manompo manontolo andro no mahafa-po. Hanampy antsika hanalavitra fandrika efatra ilay lahateny mifampitohy hoe “Mitandrema sao Manala Baraka ny Anaran’i Jehovah.” Inona no hanampy antsika hazoto hitory, na dia toa tsy liana firy aza ny olona? Inona no hanampy antsika hahita vokatra? Hamaly izany ilay lahateny hoe “Nahoana no Tsy Maintsy Hamasinina ny Anaran’Andriamanitra?” Hisy lahateny mifampitohy misy fizarana efatra ny alahady. Hohazavaina amin’izy io fa tokony hanamasina ny Anaran’Andriamanitra isika amin’izay eritreretintsika, izay lazaintsika, ny fanapahan-kevitra raisintsika, ary ny fitondran-tenantsika. Tena ho tian’ireo vaovao ny handre an’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Hanamasina ny Anarany Be Voninahitra i Jehovah Amin’ny Hara-magedona.”
3. Inona no tombontsoa ananantsika, ary nahoana no hanampy antsika ilay fivoriamben’ny faritra?
3 Tsy ho ela i Jehovah dia hanao zavatra mba hanamasinana ny anarany. (Ezek. 36:23) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tena tombontsoa ho antsika ny mampahafantatra ny dikan’io anarana masin’i Jehovah io sy izay rehetra mifandray amin’izy io. Andraikitra lehibe ny hoe mitondra ny anaran’Andriamanitra. Matoky izahay fa hanampy antsika tsirairay hamita izany andraikitra izany io fivoriamben’ny faritra io.