FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/11 p. 4
  • Fomba Fitory Modely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fitory Modely
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Loza Araka ny Natiora?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Nahoana no Be dia Be ny Loza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 12/11 p. 4

Fomba Fitory Modely

Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Janoary

“Mila namana daholo isika rehetra, sa tsy izany? Inona anefa no toetra tena tianao hananan’ny namanao? [Avelao izy hamaly.] Lazain’ity gazety ity hoe nahoana isika no tokony hifidy tsara ny namantsika.” Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra, ary diniho miaraka aminy ireo fehintsoratra eo ambanin’ny fanontaniana voalohany, eo amin’ny pejy 16. Mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory ireo gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra

“Efa mba nieritreritra ve ianao hoe nahoana no lasa betsaka ny loza tato ho ato? [Avelao izy hamaly.] Mahavariana fa efa nilaza ny Baiboly hoe hisy fotoana hahabetsaka ny loza. [Vakio ny Matio 24:7, 8.] Mamaly ireto fanontaniana ireto ity gazety ity: Nahoana no maro be ny loza ankehitriny? Sazy avy amin’Andriamanitra ve izy ireny? Inona no porofo fa tsy ho ela dia hanafoana ny loza rehetra Andriamanitra?”

Mifohaza! Desambra

Vakio ny 2 Timoty 3:16, ary milazà hoe: “Misy manaiky fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Ny hafa indray tsy mino izany. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Samy hafa ny hevitry ny olona momba izany. Maro anefa no manaiky fa natao foana izay hanafoanana ny Baiboly, ary mbola tsy nisy boky hafa natao hoatran’izany mihitsy. Resahin’ity gazety ity hoe voarara ny famakiana azy io nandritra ny taonjato maro, ary natao izay hanafoanana azy. Voalaza ato koa anefa hoe nahoana izy io no mbola misy hatramin’izao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara