Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Janoary
“Mahatsiaro an’i Jesosy ny olona maro amin’ny vanim-potoana toy izao. Araka ny hevitrao, inona no zavatra tsara indrindra vitan’i Jesosy? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ity lahatsoratra eto amin’ny pejy 16 ity e!” Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra, ary iaraho midinika ny iray amin’ireo lohatenikely. Mamakia andininy iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba hamaliana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra
“Olona maro no te ho falifaly rehefa Krismasy. Araka ny hevitrao, iza amin’ireto no tena tokony hoeritreretin’ny olona hatao rehefa Krismasy? [Asehoy azy ilay lisitra eo amin’ny pejy 3 ary avelao izy hifidy. Jereo avy eo ilay lahatsoratra miresaka an’ilay hevitra nofidiny, ary vakio ilay andinin-teny eo ambanin’ny lohateny.] Atoron’ity gazety ity izay azontsika atao mba hahatsiarovana an’i Jesosy mandavantaona, fa tsy rehefa Krismasy ihany.”
Mifohaza! Desambra
“Mirotoroto lava ny fiainan’ny olona maro ankehitriny. Mety ho izany ve, araka ny hevitrao, no mahatonga ny olona tsy hanam-paharetana intsony tato ho ato? [Avelao izy hamaly.] Mino ny olona sasany fa miaina amin’ity fotoan-tsarotra lazain’ny 2 Timoty 3:1 ity isika. [Vakio] Hazavaina ato amin’ity gazety ity hoe nahoana no tena ratsy ny hoe tsy manam-paharetana, ary inona no hanampy antsika hanam-paharetana.”