Mitoria Amin’ny “Karazan’olona Rehetra”
1. Inona no mampitovy ny mpitory amin’ny mpanao asa tanana mahay?
1 Manana fitaovana maro ny mpanao asa tanana mahay. Fantany hoe rehefa inona izy ireny no ampiasaina, ary ahoana no fampiasa azy. Manana fitaovana isan-karazany koa ny mpitory mba hanaovana ny asany. Nisy bokikely samihafa, ohatra, navoaka mba hanampiana antsika hitory amin’ny “karazan’olona rehetra.” (1 Kor. 9:22) Miresaka ny sasany amin’ireo bokikely ireo ny takelaka fanampiny amin’ity Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity. Hazavaina ao koa hoe natao ho an’iza ilay izy, ary ahoana no hanolorana azy.
2. Rehefa inona isika no afaka manolotra bokikely?
2 Rehefa inona no mampiasa bokikely? Mampiasa fitaovana iray ny mpanao asa tanana rehefa hitany hoe ilaina ilay izy. Afaka manolotra bokikely koa isika rehefa hitantsika hoe ilain’ilay olona izany, na dia tsy bokikely aza no atolotra mandritra ny volana. Raha boky Ampianarina, ohatra, no tokony hapetraka, nefa tsy liana amin’ny Baiboly ilay olona, dia azo atao ny manolotra bokikely mety aminy. Afaka manome boky Ampianarina ihany isika any aoriana, rehefa lasa liana kokoa izy.
3. Nahoana isika no tokony hahay hampiasa an’ireo fitaovana ananantsika?
3 Midera ny olona mahay tsara ny asany ny Soratra Masina. (Ohab. 22:29) Tsy misy asa lehibe noho ‘ilay asa masina momba ny vaovao tsara.’ (Rom. 15:16) Tokony hiezaka hahay hampiasa an’ireo fitaovana ananantsika àry isika, mba ho lasa “mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona.”—2 Tim. 2:15.