Manolora “Gazety Tranainy” na “Bokikely Mety Hahaliana” An’ilay Olona
Miezaka manomboka fampianarana Baiboly isika, rehefa manolotra ny boky Ampianarina. Raha efa manana boky ilay olona, nefa tsy manaiky hianatra Baiboly, dia nampirisihina isika mba hanolotra “gazety tranainy” na “bokikely mety hahaliana azy.” Nahoana?
Misy loha hevitra samihafa, izay tsy mety lany andro, ao anatin’ireny bokikely sy gazety tranainy ireny. Mety hanohina ny fon’ilay olona ny zavatra raketin’izy ireny. Asio gazety na bokikely samihafa àry ao anaty kitaponao, rehefa handeha hitory ianao. Raha tsy manana gazety tranainy ianao, dia mitadiava any amin’ny mpikarakara ny gazety. Amin’izay, raha efa manana boky ilay olona nefa tsy mety mianatra Baiboly, dia mba azonao aseho azy izay gazety tranainy na bokikely any aminao, ka izy no mifidy izay mahaliana azy. Manaova fotoana aminy, ka miverena mba hanampy azy. Mety hianatra ihany izy rehefa mandeha ny fotoana.